• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Mcc Vanille.Jpg
Image
Vaovao

Mpandraharaha Lavanila : Ho tsoahina ny fahazon-dàlana hanondrana ho an’ireo izay tsy mividy

14/02/2023 17:23 © Moov.Mg

Anio no manomboka ny fe-potoana 15 andro izay nomen’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana ho an’ireo mpandraharaha hividy ny lavanila mifanaraka amin’ny « agrément » azon’izy ireo. Fepetra noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ministra Edgard Razafindravahy moa izao manoloana ny olana mianjady amin’ireo mpamokatra sy ireo mpanangom-bokatra.

Fiarovana ny tantsaha mpamboly

Manana 15 andro, manomboka anio 14 febroary, araka izany ireo mpandraharaha hividy manontolo ireo lavanila izay efa voalaza ao amin’ny « agrément »-n’izy ireo. Nanambara ary ny ministra fa ho esorina aminy ary homena ireo mpandraharaha izay efa nanao fangatahana ahazoana agrément ny an’ireo izay efa manana anefa minia tsy mividy ireo lavanila tokony ho vidiany. Ireo izay nandefa fangatahana kanefa nampiandrasana no hisitraka izany agrément izany ary ahazo alàlana hanondrana ireo lavanila tavela eny amin’ny tsena, hoy hatrany ny ministra.
Noraisana izany fanapahan-kevitra izany mba hiarovana ny tantsaha mpamboly ary ihany koa ireo mpanangom-bokatra. Mialohan’ny nandraisana izany fanapahan-kevitra izany anefa dia efa nisy ny teny ierana nifanavoan’ireo mpandraharaha sy ny ministera. Raha tsiahivina dia nanatanteraka fitokonana ireto farany satria tsy nisy mpandraharaha nividy ny entan’izy ireo.
Nanana hatramin’ny omaly ireo mpandraharaha nanomezana ny lanjan’ny lavanila ho vidiany izay mifanaraka amin’ny fanomezan-dàlana nomena azy. Hanomboka amin’ny fifidianana lavanila ireo mpadraharaha noho izany. Mitohy ny fanarahamaso akaiky ny toe-java-misy any amin’ireo faritra mpamokatra, ary hiroso amin’ny dingana manaraka ny tompon’andraikitra samihafa raha misy tsy fahatomombanana eo amin’ny lamina napetraka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo