• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

COP27 - Egypta : Tontosa ny tatitra tamin'ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara

14/02/2023 20:57 © Moov.Mg

Nanatanteraka tatitra mahakasika izany androany ireo rehetra nandray anjara tamin'ny COP27 izay notarihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona sy Ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa.

Firenena miisa 195 maneran-tany no nandray anjara tamin’ny Fihaonana an-tampony andiany faha 27 (COP27) mahakasika ny fiovan’ny toetrandro izay notanterahina tany Sharm El Sheikh – Egypte ny 6 ka hatramin’ny 18 novambra 2022. Nandray anjara tamin'izany i Madagasikara ka ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA no nitarika ny delegasiona Malagasy.

Niray feo ny Firenena afrikana ny hanafaiganana ny famoahana ny famatsiam-bola hiadiana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetrandro ka isan’ireo firenena tsara toerana hisitraka izany i Madagasikara vokatry ny lahateny niavaka sy ny adisisika nataon'ny Filohan'ny Repoblika sy ireo delegasiona tonga tany an-toerana ary noho ny efa fananatsika ny PNA Plan National d’Adaptation sy ny CDN2 na Contribution Déterminée Nationale. Tafiditra ao anatin’izany ny adisisika mahakasika ny “pertes et dommages” izay nampiavaka manokana ity COP27 ity. Nambaran-dRamatoa Minisitra fa eo an-dalam-pikarakarana ireo antontan-taratasy hafahantsika misitraka ny famatsiam-bola avy amin’ny Fonds vert pour le climat.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny COP27 ihany koa ireo tanora misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary nankasitraka manokana ny fitondram-panjakana izy ireo satria sambany no nisy nisy delegasiona tanora maro nandray anjara. Vonona ny hifanampy amin’ny MEDD izy ireo amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro.
Efa maro ny tetikasa iadiana nahazo famatsiam-bola avy amin’ny FVC, ny FEM, ny Fond d’adaptation hafahantsika miatrika sy miady amin’ny fiovan’ny toetrandro. Nandroso sosokevitra ihany koa ny Firaisamonim-pirenena hanatsarana ny fandraisan-anjaran’i Madagasikara amin’ny COP28 ary naneho hatrany ny fahavononany ny rehetra hiady ny tombotsoan’i Madagasikara manoloana ireo firenena maro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo