• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

RN6 : Mitohy ny asa fanamboarana sy fanarenana ny làlam-pirenena

15/02/2023 11:06 © Moov.Mg

Maro ireo làlam-pirenenana nahitana fahatapahana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza CHENESO. Anisan’izany ny làlam-pirenenana fahaenina izay mampitohy an’Antsohihy sy Ambanja.

Tapaka tanteraka ny fifamoivoizana teo amin’ny ampahan-dàlana PK 372 eo Maromandia tamin’iny làlam-pirenenana iny ny herinandro lasa teo. Tsy ela fa ny 8 janoary dia nanomboka ny asa fanamboarana vonjimaika teo amin’iny ampahan-dàlana iny, izay noraisin’ny orinasa ISO Construction ny fanatanterahana azy. Niverina tamin’ny laoniny moa ny fifamoivoizana taorian’ny asa fanamboarana.

Asa fanamboarana sy fanavaozana

Tsy ny PK 372 ihany anefa no ampahan-dàlana mila fanamboarana vonjimaika amin’iny làlam-pirenena iny izay tafiditra ao amin’ny làlana mampitohy an’Ambondromamy sy Ambaja, fa maro ireo tokony ho jerena akaiky. Ao anatin’izany indrindra ohatra ny ny PK 217 + 100. Nambaran’ny ministeran’ny Asa Vaventy fa nisy lavaka niforona eo amin’io ampahan-dàlana io koa mila totofana izany mialohan’ny hanamboarana ireo fotodrafitrasa ho apetraka eo aminy. Efa miroso amin’izany ny ministera ankehitriny.
Efa manomboka ny asa fandravana ny « buse métallique » izay ho soloina « dalot en béton armé » eo anivon’ny PK 235 + 100 ihany koa ireo mpiasan’ny ISO Construction amin’izao fotoana izao. Ankoatr’izay dia fantatra fa efa misasaka ny asa fametrahana ny dalot en béton armé eo amin’ny PK 291 + 300 sy eo amin’ny 291 + 700. Ao anatin’izany asa izany hatrany dia mampahafantatra ny ministera fa efa ao anatin’ny fanalana ireo fotaka sy fametrahana ireo « remblai d’emprunt » ireo mpiasa.
Natao izao asa izao mba hialana amin’ny mety ho fahatapahan-dàlana lavareny. Marihina moa fa maro ireo asa fanamboarana izay tanterahin’ny ministera ankehitriny. Ao ireo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza CHENESO, fa ao ihany koa ireo izay nahitana fahasimbana talohan’izao fotoam-pahavaratra izao, toa an’ny Làlam-pirenenana faharoa, izay marihina moa fa efa miroso ihany koa ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo