• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Ampefiloha : Noesorin'ny mpitandro ny filaminana ireo mpivarotra korotam-by

15/02/2023 20:34 © Moov.Mg

Nidina tetsy Ampefiloha, manoloana ny La Réunion Kely, anio ny polisim-pirenena misahana ny boriborintany fahaefatra. Nanala ireo mpivarotra korotam-by eny amoron'ny arabe izy ireo.

Nanaiky ny fandaminana napetraka ireo mpivarotra korotam-by. Izany moa dia mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ny fanelingelenana mahazo ny mpampiasa lalana ary indrindra ny loto. Voalaza rahateo fa toerana be mpanendaka iny faritra iny, na amin'ny andro atoandro aza.

Efa nisy hatrany moa ny fampahafantarana sy fanentanana nomena azy ireo vao tonga amin'izao fanalana nataon'ny mpitandro filaminana izao. Ankoatra ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany dia andraikitry ny Polisy ihany koa ny fanampiana ny vahoaka hitandro ny fahadiovana eny an-dalambe rehetra eny.

Tsiahivina fa natokana ho an'ny mpandeha an-tongotra ny "Trottoir". Entanina ireo mpivarotra mba hanara-dalàna ka hamonjy tsena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo