• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Morarano Chrome : Natomboka ny tetik'asa fizarana ny zezika sulfate d'ammonium ho an'ny Tantsaha

16/02/2023 17:05 © Moov.Mg

Tantsaha miisa 225.000 avy amin'ny Faritra maro manerana an'i Madagasikara no hisitraka ny fizarana ny zezika sulfate d'ammonium. Ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin'ny ezaka ahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan'ny fanatsarana sy ny fampitomboana ny voka-bary.

Natomboka tao Morarano Chrome, distrikan'Amparafaravola ny fizarana ireo zezika ireo androany 16 febroary 2023, izay hiarahana amin'ny orinasa Ambatovy
Anisan'ny hisitraka izany ireo tantsaha Malagasy avy amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron'i Mania, Analanjirofo, Atsinanana, Betsiboka, Boeny sy Menabe. Tsy mijanona amin’ny fizarana zezika izany tetikasa izany fa hisy ihany koa fampiofanana momba ny fampiasana azy sy ny fampiofanana ny teknika PAPRIZ miaraka amin'ny JICA. Ankoatra ireo izay hahazo maimaim-poana ity zezika Sulfate d'ammonium ity, dia ho azo jifaina amin’ny vidiny 1500ar/kg ihany koa izany zezika izany raha toa ka 5000ar/kg ny vidin’ny zezika ankehitriny.
Efa mamokatra isika saingy tsy ampy izany hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka noho izany indrindra no mahatonga ny Fitondram-panjakana manao ny ezaka rehetra hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra. Anisan’izany ny fanomezana ny fampitaovana ireo tantsaha toy ny zezika sy masomboly ary fitaovam-pambolena, eo ihany koa ny fanamorana ny fahazoana ny kara-tany hahafahan'izy ireo mamboly ary ny fanomezana azy ireo fiofanana hanatsarana ny kalitaon'ny vokatra. Ny tanjona hoy hatrany ny Filoha dia ny hanatrarana ny vokatra 5 taonina isaky ny hektara raha toa ka 2 taonina isaky ny hektara izany ankehitriny.

Notsipihan'ny Filoham-pirenena fa efa maro ny ezaka natao ary mbola hitohy ny asa fampandrosoana ho an'Alaotra Mangoro. Notolorana moto ihany koa ireo ben’ny tanàna rehetra mba hahafahan’izy ireo manakaiky bebe kokoa ny vahoaka sy mijery azy ireny. Natolotra androany ihany koa ny ambulance 4x4 ho an'ny hopitalin'Amparafaravola ho fanavotana ireo tsy salama.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo