• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Andravoahangy : « Parking môtô », efa tongan’ny mpangalatra « pieces »

17/02/2023 08:12 © Midi Madagasikara

Ankoatry ny halatra môtô, tsy afa-bela ary ataon’ireo olon-dratsy ihany koa ireo kojakoja madinika, mora alaina eny amin’ireny kodiaran-droa mipetraka eny amin’ny toeram-piantsonana maro eto an-drenivohitra ireny, eny fa na dia misy mpiambina aza.

Toy ny tetsy Andravoahangy, izay soa ihany fa tsikaritr’ireo pôlisy manao fisafoana ka noraisim-potsiny ireto mpangalatra ireto. Mpangalatra izay, raha ny fantatra dia vao avy nivoaka ny fonja …

Roa lahy no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahatelo, omaly tetsy amin’ny Mascar Andravoahangy. Somokotra teo am-panongotana kojakoja tamin’ny môtô iray nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny kodiaran-droa izy roa lahy ireto no voapaingotry ny pôlisy. « Tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany maraina dia nahatsikaritra fihetsika hafahafa ataon’ireto roa lahy Ireto manolana ny toerana fiantsonan’ny kodiaran-droa na môtô eo Mascar Andravoangy ny polisim-pirenena miasa teny an-toerana. Vao nahita an’io anefa ny mpitandro ny filaminana dia mijery akaiky ny zavatra ataon’izy ireo. Vokany, tratra teo am-pangalarana « pièces » ireto farany » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Raha vao nahita avy hatrany ireo pôlisy tamy nanatona azy moa izy roa lahy dia nanao tari-dositra nitsoaka, saingy tsy lasa lavitra dia voasambotra. « Rehefa natao ny fisavana azy ireo dia nahitana » lame » fandidiana sy « cache moyeu de marque Hyundai galoper 01 » ».

Ankoatr’ireto fitaovana fampiasan-dry zalahy amin’ny asa ratsiny ireto dia nahitàna taratasy iray « certificat de mise en liberté » teny amin’izy ireo. Nambaran’ny pôlisy fa araka io taratasy io dia vao avy nigadra ny iray tamin’izy ireo ary vao avy nivoaka ny fonja mihitsy. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa izy roa lahy ireto, mba hofotorana misimisy kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo