• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Toliara : Tokony ho vahana ato anatin’ny roa volana ny fahatapahan-jiro

13/03/2023 17:14 © Moov.Mg

Tsy ny eto Antananarivo ihany no misedra olana amin’ny resaka fahatapahan-jiro matetika, fa saika ahitana izany avokoa ireo faritra rehetra manerana ny Nosy. Nandritra ny fitsidihan’ny avy eo amin’ny fitondram-panjakana ny tanànan’ny Toliara ny faran’ny herin’andro lasa teo, izay mbola nitohy anio, no niresahana izany olana goavana izany.

Niara-dia tamin’ny filoha Andry Rajoelina nijery ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ny ministry ny Angovo sy ny Akoran’Afo, Solo Andriamanampisoa. Noresahana nandritra izany fidinana ifotony izany ny olan’ny fisitrahana jiro sy ny fahatapahan-jiro any an-toerana.

Vahana ao anatin’ny roa volana manaraka ny olana

Ato anatin’ny roa volana manaraka dia tokony ho voavaha ny olana mahakasika ny fahatapahan-jiro matetika izay mihatra amin’ny mponin’ny Toliara, hoy ny ministra. Tokony hisy araka izany ny fijerena akaiky ny fitsinjarana ny herinaratra mba hialana amin’izany. Tao anatin’ny fandraisany fitenenana ary dia nanentana ny JIRAMA, ny ENELEC ary ny talem-paritry ny Angovo sy ny Akoran’afo any an-toerana ny ministra mba hijery akaiky izany olan’ny herinaratra izany sy hitondra vahaolana ao anatin’io fe-potoana voafaritra io.

Marihina anefa fa ampy ny vokatra herinaratra any an-toerana, fa kosa mila fanamboarana sy fikojakojana ireo fitaovana. Ilaina ihany koa ny fanafarana fitaovana vaovao, izay ny orinasa ENELEC no tokony hisahana azy. Ankoatr’izay famahana ny olan’ny fahatapahan-jiro izay dia fantatra ihany koa fa hisitraka ny tetikasa « Hazavao ny elakelatrano » ny tanànan’ny Toliara. Fantatra ary fa elakelatrano mirefy 10 km no hanombohana io tetikasa io, ka ho atomboka ny 23 sy ny 24 marsa ho avy izao ny asa. Ireo faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana kosa no ho atao laharampahamehana amin’ny fisitrahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo