• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Fondation Axian
Image
Vaovao

Rano fisotro madio : 300 Ar dia mahazo rano voadio sy amin’ny hafanana ilaina, eo Analakely

26/04/2024 10:07 © Moov.Mg

Nametrahana fotodrafitrasa fisitrahana rano eo Analakely, hahafahan’ny mponin’Antananarivo renivohitra misotro rano madio araka ny filàny, rehefa mandalo eny. Notokanana omaly izany fotodrafitrasa izany.

Fotodrafitrasa maoderina

Ny Fondation Axian miaraka amin’ny orinasa Jovena Madagascar ary ny orinasa ODIS no nanolotra izao fotodrafitrasana rano fisotro madio izao, ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Eo akaikin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo no ahitana azy. Tsy paompin-drano tahaka ny mahazatra izy ity, fa fitaovana maoderina sy hiaka farany, mizara rano efa voadio. Tsy vitan’izany fa azo safidiana ny mari-panan’ny rano tiana hosotroina, ka manomboka amin’ny latsaky ny 10°C izany. Tombony amin’ity fotodrafitrasa ity ihany koa ny fahamoran’ny fikojakojana azy sy ny fahafahana manara-maso tanteraka ny fomba fampiasana azy.

Miaro ny tontolo iainana

Afaka manjifa rano eo ny rehera, amin’ny sarany 300 Ar ny antsasa-litatra ary 500 Ar ny iray litatra. Tanjona amin’izao fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izao ny ahafahan'ny besinimaro misitraka rano fisotro madio eto an-drenivohitra, indrindra ireo olona marefo tsy hahatakatra hividy rano lafo amin’ny tavoahangy. Manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana rahateo izy io, satria mampihenana ny fampiasana ny tavoahangy plastika. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Miahy Jovena, an’ny Fondation Axian, izao tetikasa rano fisotro madio izao, ka ny orinasa Jovena Madagascar no namatsy vola azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo