• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Ankizin’ny làlana : Maniry ny hitovy amin’ny ankizy rehetra

12/04/2023 17:19 © Moov.Mg

Ankizy tsy ampy taona aman’arivony no hita mirenireny eny an-dàlana eny raha ny eto Antananarivo renivohitra fotsiny no resahana. Mazava ho azy fa tsy misitraka ary tsy mahalàla ireo zo fototra ananany akory izy ireo.

Tsy ireo ankizy sahirana, miaina sy mivelona eny an-dàlana ihany anefa no mbola tsy mahalàla izany fa eo ihany koa ny fiarahamonina sy ny fianakaviana izay nipoiran’izy ireo.

Miaina ao anaty adin-tsaina

Nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenenana ho an’ny ankizin’ny làlana tetsy amin’ny kianjan’Alarobia dia nisy ny dinika sy ny tafa izay niarahana tamin’ireo zaza mpirenireny eny an-dàlana. Nandray anjara tamin’ny fotoana ihany koa ireo ankizin'ny làlana teo aloha izay tezaina eny amin’ireny ivon-toerana voatokana ireny. Tao ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny samihafa. Niresahana tamin’izany ny olana an-dàvan’andro izay sedrain’ireto tsy manan-tsiny ireto sahady.
Tsy afaka miaina ny maha-zaza azy izy ireo fa noteren’ny fiainana sahady hiavotra sy hikatsaka izay hoanina ny « Anio ». Eny, maro amin’ireo zaza no tsy miaina eo anivon’ny ray aman-dreny intsony fa mamelo-tena irery. Hany ka voatery matory an-dàlana, mangataka, mitsipona fako sy mikarataka. Maro no mety ho aton’izany, ary anisany antony lehibe ny herisetra izay mahazo azy ireo any an-tokatrano, toa ny vono sy ny fanolanana, koa manosika azy hisitaka eny an-dàlambe. Tafiditra ao anatin’izany antony lehibe izany ihany koa ny fahantrana làlina. Misy amin’ireo ankizy ihany anefa no miezaka miavotra amin’ny fiainana, ankoatra ny fangatahana. Ao ireo mitety tokatrano mba ahitana asa toa ny mikarama matsaka rano sy manary fako.
Raha fintinana dia miaina sahady ao anaty adin-tsaina toa ny olon-dehibe ireo ankizy ireo. Ary tsy misitraka izany atao hoe zon’ny ankizy izany mihitsy. Maniry ny hitovy amin’ny ankizy rehetra anefa ireto ankizin’ny làlana ireto, ary miandrandra mafy ny mba hivelatra sy hanana ho avy mamiratra…

Fandraisana andraikitra

Fikambanana maro isan-karazany, miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana no tonga nanotrana io fankalazana io anio. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny UNICEF sy ny Vovonana miantsehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy na ny PFSCE. Tao ihany koa ny solo-tena avy eo amin’ny ministeran’ny Mponina izay misahana izany zon’ny ankizy izany.
Ao anatin’izany fandraisana andraikitra izany dia manentana ny fitondram-panjakana ny avy eo anivon’ny PFSCE ny mba « hijerena manokana ny momba ireny zaza eny an-dàlana ireny ». Ilaina, hoy ny lehiben’ny PFSCE, ny ametrahana andininy manokana momba ny ankizy ao anatin’ny politika nasionaly. Tsy mikely soroka ihany koa ity vovonana ity amin’ny fanaovana hay taky amin’ny fanatsarana ny zon’ny ankizy. Tsy ampy anefa ny tetibola atokan’ny fanjakana hikarakarana sy hanamafisana izany zon’ny ankizy izany.
Ankoatra ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra dia eo ihany koa ny asa miandry ireo fikambanana maro isan-karazany. Ary nanomboka ny taona 2017 dia nasim-panovana ny fomba fiasa, noho ny tsy fahombiazan’ny tetik'ady nentina hatram’izay. Tsy tokony terena hiditra eny anivon’ireo ivon-toerana voatokana na « centre » ireo ankizy voakasika fa omena safidy malalaka. Ilaina, noho izany, ny fifampiresahana amin’izy ireo mialohan’ny hampidirana azy eny amin’ny centre.

Miverina eny anivon’ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana

Ankoatra ny fampianarana, ny fanomezana sakafo, ny fijerena manokana ny fahasalamana ary ny fanomezana fotoana ahafan’ny ankizy miala voly dia tanjon’ny fikambanana ihany koa ny famerenana azy ireo eny anivon’ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana izay nipoirany. Tokony misitraka ny zo fototra eny amin’ny fianakaviana, toa ny zaza rehetra manko ny ankizin’ny làlana.
Noho izany, ilaina ny fampianarana ny sy fanentanana ny fianakaviana, indrindra ireo ray aman-dreny, mba hialan’ireto farany amin’ny fanaovana herisetra amin’ny ankizy. Eny, tsy ireo zaza mpatory an-tsena ihany no antsoina hoe ankizin’ny làlana. Ao ihany koa ireo manana fianakaviana sy mivelona eo anivon’ny tokatrano iray fa voatery miasa eny an-dàlana rehefa atondro. Ao ihany koa ireo mitsaoka tsotra izao noho ny herisetra mahazo azy. Ao ihany koa ireo ankizy misy mitarika eny amin’ny « lieu public » dia mirenireny eny.
Ny fankalazana ny andro iraisam-pirenenana toa izao dia fotoana iray ampahafantarana ny zava-misy marina iainan’ireo ankizy. Ary fotoana iray hanamafisana ny fanajana ny zon’ny ankizy ihany koa. Entanina ary ny tsirairay mba samy handray ny andraikitra tandrify azy avy amin’ny fijerena ny fiainana sy ny ho avin’ireo zaza tsy manan-tsiny ireo, izay maniry ny mba hitovy amin’ny zanak’olona rehetra.
« Ankizin’ny làlana aho. Mitovy zo amin’ny ankizy rehetra » !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo