• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ankazomanga : Jiolahy efa ela nokarohina, maty voatifitry ny pôlisy

13/04/2023 22:33 © Midi Madagasikara

Sady mpamaky trano ny lehilahy no mpanendaka hikoizana. Ny faran’ny herinandro teo no maty voatifitry ny pôlisin’ny SAG (Service anti-gang), tetsy Ankazomanga ity olon-dratsy ity, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Mbola tratra teny aminy moa ny fitaovam-piadiany fampiasany : antsy lava iray, raha ny vaovao azo hatrany.

Raha ny teny amin’iny faritra 67ha sy Ankasina iny, izay toerana nampitondrain’ity olon-dratsy ity lasibatra dia efa maro ireo fitarainana voarain’ny teo anivon’ny pôlisy. Tsy vitan’ny fanendahana fotsiny ihany mantsy no tena angadiny, araka ny voalaza hatrany fa sady manafika tokatranon’olona ingahirainy. Ary ny tena loza dia tsy menatry ny mandratra sy mamono ho faty mihitsy izy, raha sendra manohitra azy ireo lasibatra. Efa maro, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo ny filazana fikarohana mahakasika ity olon-dratsy raindahiny ity. Tamin’ireo fitarainana voarain’ny pôlisy mantsy dia saika voatonotonona foana ny anarany ary fantatra hatrany ny endriny. « Sampan-draharaha maro teo anivon’ny pôlisim-pirenena no efa nikaroka azy » hoy hatrany ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Tamin’io faran’ny herinandro io, dia voalaza fa saika hanao ny asa ratsiny indray ranamana no nifanehatra tamin’ireo pôlisy nanao fisafoana, nandritry iny fankalazana ny fetin’ny Paska iny, tetsy Ankazomanga.

Nanao tari-dositra nitsoaka avy hatrany moa ity mpanendaka ity na dia teo aza ny fampitandremana nataon’ireo mpitandro filaminana. Voatery nitifitra araka izany ireto farany ary izao nahalavo azy izao. Azo heverina araka izany fa hiverina hiaina am-pilaminana ireo mponin’Ankasina sy 67ha, noho ity vokatra azon’ny pôlisy ity, raha tsy efa nisy ireo mpandimby azy, mbola miriaria any ho any…

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo