• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Andasibe : Vehivavy hita faty nisy namono, ahiahiana fatratra ny vadiny taloha

14/04/2023 08:16 © Midi Madagasikara

Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoana ho faty ity vehivavy iray ity, tao Andasibe. Misy vaky sy tresaka ny lohany, tamin’ny fotoana nahitàna azy, hoy ny fanomezam-baovao avy amin’ny zandarimaria tany an-toerana. Ahiahiana ho lehilahy iray, niaraka taminy, izay voalaza fa vadiny taloha no tao ambadik’izao vono olona mahatsiravina izao.

Ny alarobia teo tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tany ho any no nahazo antso ny teo anivon’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andasibe, mahakasika ny fisiana razana hita, tao anaty kirihitra. Toerana tokony ho iray kilaometatra miala ny tanana. Vehivavy manodidina ny 35 taona ny ho any izy io. Tamin’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo no nahafantarana fa mety nisy namono ity vehivavy ity noho io ratra lehibe teo amin’ny lohany io, izay nitarika ny fahafatesany. Na izy nianjera, na novelesina tamin’ny vato ny lohany, hoy ny fanazavana azo.

Mponina ao Andasibe ihany ity vehivavy hita faty ity ary voalaza fa tsy hita nanomboka ny alatsinain’ny paska lasa teo. Ny harivan’io alatsinainy io izy no hitan’ny olona nifampiresaka tamin’ny lehilahy iray, izay fantatra ihany koa fa vadiny teo aloha ihany. Ity farany, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana dia miezaka ny mamerina sy mitalaho indray ny fiverenan-dramatoa, kanefa misy akolafim-pianakaviana toa tsy manaiky izany. Izy ireo niresaka izay araka izany no nahita azy farany ary tsy hita tany nanjavonana intsony taorian’io andro io, raha tsy io alarobia io, izay efa nahitàna azy efa vatana mangatsiaka sisa. Mipetraka any amin’ity lehilahy ity avokoa raha izany ahiahy rehetra ny amin’ny maha-mety ho tompon’antoka azy tamin’izao vono olona izao.

Taorian’ny fitsirihana sy ny fanadiahadiana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra moa dia efa nomena ny fianakaviana ny razana. Efa mandeha kosa ny fikarohana ilay lehilahy any an-toerana amin’izao.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo