• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambohimahasoa : Olona telo namoy ny ainy tao am-pasana

15/04/2023 08:11 © Midi Madagasikara

Nisehoana tranga tsy dia fahita matetika omaly tany amin’iny faritra distrikan’Ambohimahasoa iny. Famindràna razana no nokasain’ireto fianakaviana natao kanjo, aina telo be izao no indray nafoy tamin’izy ireo, tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Ilay razana hafindra, mbola tsy tafiditra am-pasana akory. Tranga niseho tao amin’ny tanàna iray tany amin’iny kaominina Ampatana iny.

Tsy fantatra mazava moa izay tena zava-niseho, raha ny fampitam-baovao azo. Ireo fiankaviana, efa nirohotra nihazo ny toeram-pitsaboana tany an-toerana no nanaitra ny rehetra. Nisy olona maromaro no nobataina avy any, efa samy ao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena avokoa izy rehetra. Nanao ny fialàna nenina tamin’ny fitsaboana sy famonjena ny telo tamin’izy ireo, ireo mpitsabo tompon’andraikitra tao amin’ity toeram-pitsaboana tao Ambohimahasoa ity, saingy indrisy fa efa tsy avotra intsony ny ain’izy ireo. Na izany aza, nisy iray tamin’izy ireo no avotra soa aman-tsara ary velon’aina saingy mbola arahi-maso ao an-toerana. Ny angom-baovao azo moa no nahafantarana fa fahasemporana no nahazo azy ireo. Fahasemporana izay mety ho avy tamin’ny etona mahafaty.

Talohan’io tokoa mantsy, raha ny fanampim-panazavana azo hatrany dia nikasa ny hamindra razana iray natao anirotra, izay hoe natao tamin’ny lavaka tany ivelany fotsiny, ho ao am-pasana ireto fianakaviana ireto. Nialoha izay anefa, dia toa hoe niditra nialoha tao am-pasana ireto olona tra-doza ireto. Maro amin’ny olona tokoa mantsy no manao ilay hoe « fanararaotam-paty », entina hikarakarana kely ireo taolambalon’ireo havan-tiana, efa lasan-ko razana, miray fasana ao. Toy ny hoe manafy lamba vaovao azy ireo. Tamin’io fotoana io dia voalaza fa izay no nataon’ireto olona ireto, nialoha ny nidiran’ilay razana hatsofoka am-pasan-drazana. Tamin’izay fotoana izay indrindra ihany koa anefa no niseho ny tsy nampoizina satria dia nitolefika tsirairay izy ireo tao anaty fasana tao ary samy tapitra tsy nahatsiaro tena avokoa. Teo vao nikoropoka avokoa ny rehetra, niezaka namonjy sy nitondra teny anivon’ny hôpitaly, saingy indrisy moa…

Raha ny voalazan’ireo mpahay azy tokoa mantsy, ny fasana rehetra mivoha dia andrasana ora vitsivitsy eo ho eo vao azo hitsofohana. Izany ho atao hoy izy ireo dia mba ahafahan’ny rivotra mitsofoka sy hanala ireo etona ratsy, nateraky ny fahalovan’ny nofon’olombelona izay nivangongo fotoana maharitraritra tao. Iny etona ratsy iny matetika no miteraka fahasemporana ho an’ny velona ary mety ho izay zavatra izay no nahavoa ireto olona ireto.

Tombatombana ihany moa izany, raha ny nambaran’izy ireo fa ny an’ireo mpitsabo manao ny fitsirihana sy ny valin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana no hany hahafahana mamaly izany. Ny tranga, izay efa eny am-pelatanan’izy ireo rahateo.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo