• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fonjan'Ankorombe Ambositra : Misitraka toerana manara-penitra ireo voafonja

15/04/2023 14:57 © Moov.Mg

Ny fananganana fonja manaraka ny fenitra dia natao indrindra ihany koa hanajana ireo zo mahaolona an'ireo voafonja. Nanombohan'ny Filoham-pirenena ny diany tao Ambositra androany 15 aprily 2023 ny fitokanana ny fonjabe ao Ambositra Ankorombe.

Toerana manaja ny zon'olombelona

Miisa 900 ny voafonja zakan'ity fonjan'Ambositra ity. Tsy efitrano fatoriana ihany no hita ao amin'ny faritry ny fonja. Misy ihany koa ny efitra fidiovana sy fivoahana, ny toeram-pitsaboana sy ny "batiment administratif". Araka ny fandaminana eo anivon'ny Ministeran'ny fitsarana dia ireto avy ireo olona ho tazomina ao anatin'ity fonjabe ity : ireo mbola miandry fitsarana, ireo voaheloka an-tranomaizina noho ny heloka tsotra, ireo nanao heloka madinika, ireo voaheloka hanao asa an-terivozina ao anatin'ny fotoana voafetra ary ireo nanao heloka bevava.

Toeram-panarenana

Sambany teo amin'ny tantaram-pirenena ny fisian'ny toeram-piofanana eo anivon'ny fonja. Ao amin'ity fonjan'Ambositra vaovao ity dia misy efitra natokana ampianarana asa tanana ireo voafonja. Hisy koa ny velaran-tany mirefy 500ha omena hambolen'ireo voafonja hamokaran'izy ireo ihany ny sakafo hoaniny. Araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry Rajoelina tsy tokony ho toerana fanasaziana fotsiny ny fonja fa tokony hanarenana sy hanitsiana ny olona diso lalana mba ho olom-baovao izy ireo rehefa miverina eo anivon'ny fiaraha-monina.

Tsara ny manamarika fa efa misy fandriana sy kidoro mifono ireo efitrano fatorian'ireo voafonja.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo