• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Ortana
Image
Vaovao

Zaridanain’Antaninarenina : Andiana zaza tsy ampy taona mangarom-paosy

17/04/2023 08:43 © Midi Madagasikara

Tovolahy miisa roa no voasambotry ny pôlisy tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, omaly maraina, noho ny resaka haraom-paosy. Marihana fa samy tsy ampy taona avokoa izy ireo : ny iray 13 taona ary ny zokiny 15 taona.

Raha ny fantatra tokoa dia efa ela no nampitairain’ireo mponina eny an-toerana ny afitsok’ireo tontakely mpangarom-paosy ao amin’io toerana io. Indrindra moa fa rehefa ilay maraina na atoandro firavan’ny mpiasa iny. Matetika dia manao andiany maro izy ireo, izay saika mbola zaza tsy ampy taona avokoa. Omaly, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany maraina tany ho any no tonga nitairaina tamin’ny pôlisy niasa tsy lavitra teo ny olona iray, izay lasibatr’ireto tontakely ireto. Azo heverina fa tsy maintsy efa nihodikodina teo amin’ity olona ity ireto farany na mody mangataka sy mandrebireby ny hafa ary hafa miezaka misokatra ny anaty paosy. Tamin’io fotoana io dia voalaza fa lasan’ireo mpanao ratsy ny finday sy ny karampanondron’ilay olona.

Tsy niandry ela tokoa ny pôlisy fa avy hatrany dia « nanao ny fisafoana sy fitadiavana ireo olon-dratsy avy hatrany. Tovolahy miisa roa no voasambotra tamin’izany. Rehefa nosavaina teny amin’izy ireo dia nahitana finday iray ». Tsy nisalasalàna rahateo ny nisambotra an-dry zalahy ireto, satria nambaran’ity lasibatra ity fa « tadidiny tsara ny endrik’ireo ankizy ireo », moa mbola nambakain’ny finday tsy azy ireo tany aminy ireto farany. Nentina nihazo ny biraon’ny avy hatrany moa ireto farany ary natolotra ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona ho amin’ny fanadihadiana azy ireo.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo