• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Women rock in digital : Hetsika ivelaran'ny vehivavy amin'ny nomerika

17/04/2023 13:44 © Moov.Mg

"Fito taona izay no niasako tao anatin’ny sehatry ny nomerika. Amiko manokana dia mahavelona ary azo ivelarana tsara io tontolo arak'asa iray io." hoy i Princia, renim-pianakaviana iray tonga nanatrika ny hetsika women rock in digital ny faran'ny herin'andro teo tetsy Analakely.

Fifanakalozana

Lehilahy sy vehivavy 216 isa teo no tonga nanatrika ny women rock in digital ny asabotsy teo tetsy amin’ny Arkadia Analakely. Fotoana iray niresahana manokana momba ny vehivavy misehatra ao anatin'ny tontolon'ny nomerika izy io, izay nokarakarainy Avana Hub ary notohanan’ny Telma Madagascar.
Niompana tanteraka tamin’ny fifanankalozana sy fizarana traikefa ny fotoana. Vehivavy ampolony teo ho eo, izay miasa sy mandraharaha ao anatin’ny nomerika, noho izany, no niresaka momba ny asany. Tsapa nandritra io hetsika io fa maro ireo vehivavy, eny fa na ireo lehilahy, liana sy te hivelatra amin’ity sehatr’asa ity. Nisy araka izany ny fifampiresahana mivantana teo amin’ireo mpanatrika ny fotoana sy ireo solo-tenan’ny orin’asa maro samihafa mahakasika ny asa azo atao sy idirana raha ny nomerika fotsiny no resahana.

Mila faharetana

Toa ny amin’ny sehatr’asa rehetra dia mila faharetana ny fanaovana ny asa tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny nomerika. « Mila fahamatorana sy fisainana tia karokaroka ihany koa anefa ny fanaovana azy io satria mivoatra isan’andro ny zavatra rehetra eo anivon’ny nomerika. Mila maharaka tsara ny zava-baovao foana mba tsy ho sahirana sy ahafahana manome fahafaham-po ny mpampiasa hatrany. » hoy hatrany i Princia.
Mialohan’ny faharetana sy ny fahamatorana amin’ny asa atao anefa dia ilaina ihany koa ny fahavononana sy ny fahatokisan-tena raha te hahomby amin’ny sehatry ny nomerika. Teny izay miantefa indrindra any amin’ireo vehivavy izay maniry ny hanana fahaleovan-tena arak’asa. Fomba fijery izay tiana navoitra nandritra ny hetsika Women rock in digital moa izany. « Eny, tsy natokana ho an’ny lehilahy irery ihany ny asa nomerika. Ny vehivavy ihany koa dia mitondra hevitra sy fomba fijery hafa ao anatin’io tontolo io. Mifameno noho izany ny roa tonta », hoy i Nisa Rambel, mpikaroka iray ao anatin’ny sehatry ny serasera na “chercheure en communication.”

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo