• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Fiahiana ara-tsosialy : Fankatoavana ireo boky mirakitra ireo dingana tokony arahana

21/04/2023 11:00 © Moov.Mg

Tanteraka omaly ny atrikasa fankatoavana ireo boky roa mirakitra ny dingana enti-manatanteraka ny fiahiana ara-tsosialy rehefa fotoanan’ny haitany sy ny rivo-doza ary ny tondra-drano.

Anisan’ireo firenenana an-dàlam-pandrosoana iharan’ireo loza vokatry ny fiovan’ny toetry ny andro i Madagasikara.

Tokatrano traboina

Isan-taona dia faritra maro manerana ny Nosy no misedra olana noho ny andro ratsy, ny tsy fisian’ny orana ary ny mety ho fiakaran’ny rano be loatra. Raha ny tamin’ity taona ity fotsiny no resahana dia rivo-doza roa no niditra an-tanety dia ny rivo-doza Cheneso sy ny rivo-doza Freddy izany. Raha tsiahivina dia tokatrano niisa 16 524, avy tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, Amoron’i Mania, Ihorombe ary Menabe no traboina taorian’ny fandalovan’io rivodoza Freddy io. Izany dia vokatry ny tondra-drano nateraky ny rivodoza avokoa.
Ankoatra ny rivo-doza sy ny tondra-drano dia resahana ihany koa ny haitany, izay mamely ireo faritra maro any Atsimo. Ankehitriny dia olona miisa 2,23 tapitrisa eoeo no fantatra fa iharan’ny tsy fanjarin-tsakafo mahery vaika raha ny vanim-potoana eo anelanelan’ny 2022 sy 2023 no jerena. Antontan’isa izay hita fa tena ambony tokoa.

Fandraisana an-tànana

Manoloana ireo karazana voina mety hiseho vokatry ny toetry ny andro sy ny fiovany indrindra no anton’ilay atrikasa fankatoavana ireo boky torolàlana ireo. Tanjona amin’izao ny mba ahafahana mandrindra ny fanatanterahana ny asa amin’ny fiahiana ara-tsosialy eny ifotony. Tsiahivina fa hetsika izay iarahan’ny BNGRC sy ny ministeran’ny Mponina miasa io notanterahna io. Ireto farany moa dia tsy iza fa ireo tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiarovan’ny vahoaka amin’ny voina mety hiseho sy amin’ny fandraisana an-tànana ireo traboina.
Manomboka izao dia misy ny toro-làlana mati-paika izay tokony arahan’ireo mpiantsehatra tsirairay. Tafiditra ao anatin’izany ny fampahafantarana ny anjara asan’izy ireo sy ny fanatsarana itovizana amin’ny fanatanterahana ny asa. Aorian’ny fankatoavana dia ho zaraina amin’ireo mpiantsehatra ireo boky toro-làlana ireo mba hampiasaina sy hampiarina. Inoana ary fa hisy ny fitovian’ny fomba fiasa eo amin’ireo samy mpisehatra aorian’izao.
Raha fintinina dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fandraisana an-tànana ireo traboina vokatry ny haitany, ny rivo-doza ary ny tondran-drano io fikaonan-doha io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo