• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Betioky Atsimo : Zaza varira nitadiavana mpividy, saron’ny zandary

22/04/2023 14:32 © Midi Madagasikara

Mbola tsy lefy akory ary misoko miadana any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny hatrany ity resaka halatra sy varotra zaza varira na « albinos » ity.

Eny fa na dia eo aza ny ezak’ireo zandary, miezaka mamongotra hatrany izany. Ny andron’ny alakamisy lasa teo, zazakely iray, tokony no telo taona, ary manana io karazana toe-batana « albinos » io no hitan’ny zandary teny am-pelan-tanana efa-dahy, nampiahiahy, tao amin’ny fokotany Fenoarivo, kaominina Betioky Atsimo. Nanatonana avy hatrany izy ireo ary fantatra fa nokasain’ireto tsy manjary hamidy ity zazakely ity. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary. Nosamborina teo no ho eo ihany moa ireto efa-dahy ireto, ary nentina nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana fa efa ho herinandro mahery teo ho eo izay, (maherin’ny 10 andro) no efa nitady mpividy eraky ny tanana ry zalahy saingy tsy nety nahita izao nifanehatra tamin’ny zandary izao. Raha ny fanazavana azo hatrany dia nomena an’ireto efa-dahy ireto ity zaza ity, entin’izy ireo any amin’izay mety mahasahy ny vidiny. « Mbola misy olona iray karohina fatratra hoy ny zandary, ilay olona nanome azy ireo ity zaza ity » hoy hatrany ny vaovao. Olona mipetraka avy any Beara, kaominina Masiaboy, distrikan’i Betioky Atsimo io olona io, araka ny fampahafantaran’ny zandary hatrany. Avotra soa aman-tsara araka izany ilay zaza, saingy tsy mbola fantatra kosa anefa hoe avy aiza izy na iza no ray aman-dreniny. Ary eo an-dalam-pikarohana izany rahateo ireto mpitandro filaminana. Mandram-piandry izany aloha, aorian’ny fitsirihan’ny mpitsabo ny toe-pahasalaman’ity zaza varira ity dia hapetraka any amin’ireo toby fitaizana zaza varira vonjimaika, izay sahanin’ny zandary any amin’iny faritra iny izy. Toby izay marihana fa efa maromaro ihany no mitsangana maneran’ny Nosy. « Anisan’ny lahasa manokana ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pireneana ary raisin’izy ireo ho vain-dohan-draharaha mihitsy ny fiarovana ireny zaza varira ireny »

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo