• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Rano fisotro madio ho an'ny Faritra Atsimo : Manomboka amin'ny fomba ofisialy ny tetikasa "Pipeline Efaho"

22/04/2023 18:29 © Moov.Mg

Tsy ho ela dia hisitraka rano fisotro madio ireo mponin'ny faritra Atsimon'ny Nosy. Antenaina ho foana araka izany ny "kere" izay amoizana ain'olona sy biby maro.

Tsy ho ory rano intsony ireo Malagasy monina any amin'ny Faritra Androy sy Anosy Notanterahina androany 22 aprily 2023 ny fametrahana ny fantsona lehibe voalohany izay hitondra ny rano, miainga avy eo amin'ny reniranon'i Efaho. Mirefy 97 km ny fantsona izay ahafahan'ireo olona miisa 500 000 rano fisotro madio. tany fambolena mirefy 80 000ha ihany koa no ho voatondraka ary hisy toerana manokana hampisotroan-drano miisa 120 ho an’ireo biby fiompy.
Hamakivaky tanàna miisa enimpolo (60) ao anatin’ny Distrika telo dia Taolagnaro, Amboasary Atsimo sy Ambovombe, ary hanondraka ny lemak’i Sampona, Maroalopoty ary Maroalomainty ity pipeline ity. Ankoatra ny rano fisotro madio sy rano ho an'ny fambolena sy fiompiana, heverina fa hanatsara ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toe-karenan’ny mponina any atsimon’i Madagasikara izao tetikasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo