• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Odon_Marius_Randrianina
Image
Vaovao

Ambatomitsangana : Miverina indray ny mpanendaka

24/04/2023 11:17 © Midi Madagasikara

Raikitra indray ny antso vonjy vao maraina eny Ambatomitsangana raha mba efa nilamindamina izany nandritra ny herinandro vitsivitsy.

Manodidina ny amin’ny efatra ora maraina ka hatramin’ny enina ora maraina no misesy ny fanendahana eo an-toerana. “Maheno antso vonjy hatrany izaho, saingy tsy sahy mivoaka noho ny tahotra sao hanaraka ny aiko”, hoy ny rangahy iray monina eo amoron’ny arabe eo Ambatomitsangana. Ireo olona hiasa amin’ny orinasa ka mivoaka vao maraina no matetika tena ataon’ireo olon-dratsy lasibatra. “Olon-dratsy izay mbola tanora kely avokoa ary mandeha eo amin’ny andiany dimy na enina eo hatrany. Mitazona sabatra izy ireo ary tsy misalasala mampiasa izany raha vao misy ny fikasàna hanohitra”, hoy ny mponina iray izay efa nahita maso fanendahana. Vao ny faran’ny herinandro teo ka no nahatsikaritra ny olona mpandeha amin’ny totoha-bato eo an-toerana fa feno rà izany ary azo heverina ho olona voaendaka sy voatsindrona antsy no naratra. Toerana ifamezivezen’ny mpandalo maro Ankadifotsy sy Ambatomitsangana saingy matahotra ny ainy ny olona ka tsy sahy miditra an-tsehatra. Vokatr’izany dia mitady hanjaka ny mpanendaka isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo