• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Midi_Madagasikara
Image
Vaovao

Ambohimanambola : Voarara ny fivezivezena amin’ny alina

24/04/2023 17:19 © Moov.Mg

Manomboka anio dia tsy azo atao intsony mivezivezy amin’ny alina ao Ambohimanambola.

Noraisina tamin’ny alàlan’ny didim-pitondrana laharana 002/CR/AA/ADM – 23 anio ny didy izay mandrara ny fivezivezena amin’ny alina ao amin’ny faritry ny kaominina Ambohimanambola. Natao izao mba hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay miseho amin’ny alàlan’ny vaky trano sy ny vono olona niseho tato ato.

Tsy fandriam-pahalemana

Tafapetraka manomboka anio 24 aprily ny didy izay mandrara ny fivezivezena amin’ny alina ho an’ny kaominina Ambohimanambola. Noraisaina manokana izao fanapahan-kevitra izao mba hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay hita fa nanjaka tokoa tato ato tao amin’io kaomina tsy lavitra ny renivohitra io, fa ihany koa tao amin’ny kaominina rahavavy izay tsy iza fa Alasora. Ity farany moa izay tsiahivina fa efa namoaka ny didim-pitondrana mandràrana ny fivezivezena amin’ny alina ny 7 aprily lasa teo.
Ahitana andininy efatra izay mirakitra ny zavatra rehetra tokony ho fantatra io didim-pitondrana io, koa voasoratra toa izao.
Andininy voalohany : Tsy azo atao ny mivezivezy ato anatin’ny Kaominina Ambohimanambola manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina.
Andininy faharoa : Ireo izay tsy maintsy mivoaka amin’ny alina noho ny antony manokana dia tsy maintsy mitondra kara-panondro avokoa.
Andininy fahatelo : Raha mpiasa tsy maintsy miasa amin’ny alina dia tsy maintsy mitondra ny karatra maha mpiasa azy ao amin’ny Orinasa izay hiasany.
Andininy fahaefatra : Ny Bar sy ny Karaoke rehetra dia mihidy amin’ny 9 ora alina avokoa ; ary ny lanonana rehetra ihany koa dia foana tsy azo atao.
Manomboka anio alina, noho izany, dia tokony manaraka ireo làlana napetraka tao anatin’io didy io avokoa ireo olona mandalo amin’iny kaominina Ambohimanambola iny. Tsiahivina fa manan-kery mandritra ny fotoana tsy voafetra ihany koa io didy io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo