• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

RN1 : Mpamily roa mamo nosamborina

25/04/2023 09:47 © Midi Madagasikara

Ny iray mpamily fiara ary ny faharoa mpanamory kodiaran-droa. Ny nitovizany dia samy mamo teo am-pitondràna ny fitaovam-pifamoivoizana nentiny izy ireo.

Ho an’ilay mpitondra moto aza dia mbola nentiny koa ny zanany lahikely ary tsikaritry ny zandary fa nikivilavila tanteraka ny kodiaran-droa no tsy nisy aroloha koa ireo teny amboniny. « Nosakanana avy hatrany mba hisorohana ny loza. Mbola namaly ihany ilay raim-pianakaviana fa fomban’ny mamo no nataony », raha araka ny fanazavan’ny zandary. Mba hiarovana ny ainy sy ilay zazakely dia notazonina izy mandra-pisavan’ny hamamoany ary nanokafana fanadihadiana. Nantsoina ny havany mba hampahalalana ny vaovao sy haka ilay zazakely, raha araka ny zandary hatrany.

Ho an’ilay mpamily izay nitondra fiara Renault Express indray dia olon-tsotra no nampandre ny zandary rehefa nahita azy mamo tanteraka. «Tamin’ny fotoana nahatongavanay teny an-toerana no nahitàna fa nandona toeram-pivarotana io fiara io », hoy ny zandary. Ireto farany dia nandray fepetra avy hatrany ka nesorina teo amin’ny toerany ny lakilen’ny fiara ary notazomina « violon » ny mpamily izany mandram-pisavan’ny hamamoany. Nanokafana fanadihadiana koa izy taorian’ny rehefa afaka ny hamamoany. Ny fiara indray dia nogiazana tao amin’ny biraon’ny zandarimaria ao Fenoarivo ary ho ampidirina valam-pamonjàna (fourrière). Heloka ny mamo eo am-pamiliana ary samy hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ireo olona roa voakasika. « Misy fetrany ny fampitandremana », hoy ny zandary nampatsiahy ireo mpandika lalàna. Hetsika manokana no nataon’ny zandary tamin’ity indray mitoraka ity ary niompana tamin’ny fanaraha-maso ny momba ireo mpamily eny amin’ny lalam-pirenena izany. Tao anatin’ny andro iray fotsiny dia efa nahitàna ireo mamo be teo am-pamiliana ireo.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo