• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Mjm
Image
Vaovao

Fiara Zo : Nihaona tamin’ny vahoakan’ny Talata Volonondry ny ministra

26/04/2023 17:26 © Moov.Mg

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy anio ny hetsika Fiara Zo izay karakarain’ny ministeran’ny Fitsarana.

Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany ny mpitahiry ny tombokasam-panjakana, ministry ny Fitsarana, Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa. Fotoana iray izay nahafahan’ny ministra nanazava mivantana tamin’ireo vahoaka ny tombontsoa mety ho azon’ireto farany amin’ny fisian’izao tetikasa izao. « Nilaza ny rehetra fa sambany no nisy ministry ny Fitsarana tonga ety ifotony, miresaka mivantana mikasika ny raharaha mankarary ny fiaraha-monina. »

Fampahafantarana

Araka ny voalaza tetsy ambony dia natomboka tamin’ny fomba ofisialy anio 26 aprily tany amin’ny kaominina Talata Volonondry ny Fiara Zo izay karakarain’ny fitsarana. Tanjona amin’ny fiara zo moa ny hametrahana ny atao hoe fitsarana manakaiky vahoaka. Anio ary dia ny vahoakan’ny Talata Volonondry no nisantatra izany.
Nandritra ny fotoana fanokafana anio dia natomboka tamin’ny famelabelarana ny votoatin-kevitra mahakasika ny antom-pisian’ny tetikasa fitsarana manakaiky vahoaka ny ministra. Taorian’izay dia nandeha ny fanazavana ary fampahafantarana ny Zo sy ny làlana mikasika ny soram-piakohonana, ny fandovàna, ny fananan-tany ary ny ihany koa ny làlana mifehy ny fitsaram-bahoaka.
Ankoatra ny fampahafantarana an’ireo vahoaka ny zo sy làlana maromaro manankery dia nampahalala ny andraikiny eo anivon’ny Fitsarana ihany koa ireo Mpisolovava sy ireo Notaire. Nisy araka izany ny fanatonana ny vahoaka mba ahafahan’ireto farany mahazo bebe kokoa ny asa sahanin’ny ministera.

Fitarainana

Tsy fampahafantarana fotsiny ihany anefa no tanjona amin’ny fiara zo fa ao ihany koa ny fihainoana ny taraina sy hetahetan’ireo vahoaka. Maro tokoa ireo vahoaka no nandray fitenana, nametraka fanotaniana ary nitondra ny fomba fijerin’izy ireo ny asa ataon’ireo mpiasa eny anivon’ny ministeran’ny fitsarana. Nosafidina araka ny toe-java-misy eny ifotony tokoa ireo lohahevitra nozarain’ny ministera teny an-toerana. Raha fintinina dia mahaliana ary mipaka mivantana any amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka ireo Zo sy Làlana noresahana.
Sambany tokoa no nisian’ny hetsika toa izao. Hanainga hitety vohitra maro ity fiara zo ity ary hitondra fanazavana sy fampahafantarana amin’ireo vahoaka izay mbola miandry izany. Ezaka efa tsara tokoa ny hetsika toa izao. Na eo aza anefa izany dia mbola maro ireo vahoaka no mitaraina amin’ny kolikoly miseho eny anivon’ny fanatanterahana ny raharaha ara-pitsarana maro samihafa. Ilaina hatrany ny fitohizan’ny ezaka sy ny fitondrana vahaolana azo tsapain-tànana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo