• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Msp
Image
Vaovao

Sosialy : Hiverenana ny fanatanterahana ny Tolotra Fahasalamana ho an’ny daholobe (CSU)

01/01/1970 11:46 © Moov.Mg

Teto amin’ny Faritra Analamanga no nanamarihana tamin’ny fomba ôfisialy ny andro eran-tany ho an’ny Fahasalamana, omaly, ankoatra ireo hetsika natao tany amin’ny Faritra hafa. Tanjona ny hampisitrahana fahasalamana ho an’ny daholobe.

Fitsaboana sy fitiliana

« Ny Fahasalamana zoko ». Io no lohahevitra nentina nanamarika ny andro eran-tany ho an’ny fahasalamana teto Madagasikara, tamin’ity taona ity. Teny Antanimenabe Ankorondrano, boriborin-tany fahatelon’Antananarivo Renivohitra, no nanatanterahana ireo hetsika ôfisialy nifandraika tamin’izany. Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana isan-karazany, tsy nanavahana taona, na iza na iza, no notanterahina nandritra izany. Tafiditra tao anatin’izany ny fitsaboana ankapobeny, ny fitsaboana manokana ny zaza sy ny zokiolona, ny fizahana tosi-dra, ny fitiliana VIH sy tazomoka, ny fitiliana sy fandraisana an-tanana ireo zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo, ny tolotra momba ny fandrindram-piterahana, ny fizahana maso… Izany rehetra izany dia narahin’ny fanentanana maro samihafa...

Tomponandraikitra ny tsirairay

Nisongadina tao anatin’ireo kabary nifandibiasana sy ireo fanentanana ny amin’ny tokony hananan’ny rehetra fomba fiainana ara-pahasalamana. Ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny Pr Zely Arivelo Randriamanantany, izay nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny hetsika, dia nanentana ny amin’ny tokony handraisan’ny tsirairay fahazarana ara-pahasalamana izay holovain’ny taranaka, fa indrindra ho fikajian’ny tsirairay ny fahasalamany. Isan’ny nisongadina indrindra tamin’ny lahateniny, ny hiverenana indray amin’ny fanatanterahana ny Tolotra Fahasalamana ho an’ny daholobe (CSU). Efa tamin’ny taona 2016 no nidiran’i Madagasikara tamin’ny CSU, izay napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fahasalamana (OMS), saingy tsy tanteraka ny fanapariahana izany. Hiverenana izany ary hirosoana ny fampahafantarana ny mombamomba azy, toy ny latsakemboka haloa « mba ho tompon’andraikitra amin’ny fandraisana an-tànana ny fahasalamany ny tsirairay », hoy ny minisitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo