• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Gouvernorat Région Boeny
Image
Vaovao

Mahajanga : Mbola eto Madagasikara ny Bateau de croisière "National Geographic Explorer"

08/04/2024 15:37 © Moov

Azo lazaina fa efa miroborobo ny fizahan-tany eto Madagasikara, taorian'ny vanim-potoanan'ny areti-mifindra Covid. Mpizahatany Amerikana aman-jatony no mandalo eto Madagasikara, izay entin'ny sambo lehibe "National Geographic Explorer".

Efa nandalo tao Toliara sy Morondava ny sambo mpitondra mpizahatany antsoina hoe "National Geographic Explorer". Mbola tsy nandao an'i Madagasikara nefa izy satria niantsona tao amin'ny seranantsambon'i Mahajanga omaly 7 aprily. Noho izany indrindra, mandray mpizahatany teratany Amerikanina miisa 148 ny faritra Boeny. Marihana moa fa efa 02 taona mialoha no nikarakarana ny fahatongavan'ny ity Paquebot iray ity.
Nanomboka omaly dia nidina an-tanety ireo mpizahantany ka nisy ireo nandeha nitsidika ny Lac Sacré any Ampitolova, ao ireo nitsidika ny Parc Ankarafantsika ary ireo nanao « Tour de ville ».

Aorian’ny fandalovana eto Mahajanga hivoaka ny fari-dranomasin'i Madagasikara tanteraka ny "National Geographic Explorer" ka hihazo an'i Tanzanie. Tosika amin'ny fampandrosoana ara-ekonomika sy ara-tsosialy izao fandraisana vahiny izao.


Copyright Image : © Gouvernorat Région Boeny

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo