• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Fifidianana Solombavambahoaka : Ho fantatra ny 16 aprily ny lisitra ôfisialin'ireo Kandida

08/04/2024 18:00 © Moov.Mg

Androany 8 aprily tamin’ny 5 ora hariva no nikatona tanteraka ny fotoana fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana, ho an’ireo maniry ny ho kandida Solombavambahoaka, eny anivon’ny rafitra mpanamarina sy mpiandraikitra ny firotsahan-ko fidiana (OVEC) eny amin'ny Distrika.

Mandinika ny OVEC

Taorian’ny fandraisana ireo antontan-taratasy voaray dia mandinika tsirairay azy ireo ny OVEC, manamarina raha nahafeno ny fepetra ireo olona mikasa ny ho kandida amin’ny fifidianana Solombavambahoaka. Araka izany, raha sendra misy ny tsy ampy amin’ny antontan-taratasy efa voapetraka, dia tsy mandray izay mety ho taratasy fanampiny intsony ny OVEC, taorian’ny androany tamin’ny 5 ora hariva teo. Raha eken’ny eo anivon’ny OVEC ny filatsahan-ko fidiana, dia mahazo ny antsoina hoe : « certificat d’enregistrement de candidature » ilay kandida. 72 ora aorian’ny nametrahana ny antontan-taratasy rehetra, fara-fahaelany, no fe-potoana nomen’ny lalàna ny OVEC hamoahana izay fanapahan-kevitra izay. Raha toa indray ka tsy feno ny fepetra, araka ny fanapahan’ny OVEC hatrany, dia mahazo ny atao hoe : « décision de refus » ilay olona, ka afaka manatona ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI), ao anatin’ny 48 ora, manohitra io fanapahan-kevitra io. Manana 24 ora indray ny CENI hamoahana ny fanapahana, na ho ekena na tsia ny filatsahan-ko fidiana.

Afaka mitory

Raha mbola nolavin’ny eo anivon’ny CENI izany, dia afaka mitory eny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) indray ilay olona, ao anatin’ny 48 ora. 24 ora aorian’ny nampidirana ny fitoriana no mamoaka ny didy ny HCC. Tokony ho vita hatramin’ny 16 aprily ireo dingana rehetra ireo, ka amin’io andron’ny 16 aprily io no hamoahan’ny CENI ny lisitra ofisialin’ireo kandida rehetra manerana ny Nosy, isaky ny Distrika. Hatao ny 17 aprily kosa, ny fisarihana ny filaharana ao anatin’ny biletà tokana sy ny fandraisam-pitenenana eo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana, isaky ny Commission Electorale de District (CED).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo