• Cours de change
  • 5083.21 AR
  • |
  • $4426.42 AR
Copyright Image : © Univ-Tana
Image
Vaovao

Fakiolte EGS - FOAD : Maherin’ny 1 000 isan-taona ny mpianatra raisina

17/07/2025 16:31 © Moov

Manamarika ny faha-10 taona niorenany ny « Formation Ouverte et à Distance (FOAD) ao amin’ny sampana Gestion an’ny Faculté d’Économie, de Gestion et de Sociologie (EGS) ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Vahaolana isan’ny tsara nahafahana nandray mpianatra betsaka kokoa. Ao amin’ny amphithéâtre 50G, Ankatso no hanatanterahana ny fankalazana, omaly sy androany 17 jolay.

Fanohizana fianarana ho an’ireo tsara vintana

Tao anatin’izay 10 taona izay dia nitondra fanovàna lehibe ho an’ireo tanora tsy tafiditra amin’ny fianarana atrehina mivantana ny FOAD. Raha manodidina ny 20 % monja amin’ireo mpiadina bakalorea vaovao no voaray isan-taona, dia manokatra varavarana ho an’ny maro kosa ny FOAD.
Maherin’ny 1 000 isan-taona mantsy ireo mpianatra raisina ao amin’ny taona voalohany amin’ny fianarana amin’ny alalan’ity fampianarana ampitain-davitra ity. Izany hoe, ankoatra ireo voaray amin’ny fampianarana ampitain-davitra dia raisina amin’ny FOAD ireo ambiny tsara vintana. Ho an’ireo mpianatra ireo dia tsy midika ho fankalazana sy fety fotsiny ny tsingerintaona, fa manaporofo ihany koa fa niova sy nivoatra ny fomba fampianarana ary nihitatra ny fidirana amin’ny fahalalana.

Fiaraha-miasa sy fandraisana andraikitra ara-tsosialy

Notanterahina niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ambony ao amin’ny Oniversite sy ara-toekarena ny lanonana fanokafana. Anisan’ny nisongadina ny fifanaovan-tsonia fifanarahana amin’ny Première Agence de Microfinance. Tanjon’izany ny hanamorana ny fidiran’ny mpianatra amin’ny fitaovana nomerika toy ny tablette. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fampianarana mifantoka amin’ny sehatra matihanina, ary hisian’ny fandraisana andraikitra amin’ny sehatry ny RSE.
Ao anatin’ny fankalazana dia mbola nisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra momba ny “ tontolo nomerika sy ny manodidina ny fampiasam-bola nomerika », iarahana amin’ireo manampahaizana manokana eo amin’izany sehatra izany.
Ny fananana ity FOAD ity, sy ny fankalazana dia manan-danja amin’ny fanohizana ny ezaka amin’ny fampianarana ho an’ny rehetra sy ny fampiasana ny nomerika.

Lire la suite

Articles Similaires