Zon’ny ankizy : Nahazo birao vaovao ho an’ny UNICEF ny ao Ambovombe
Notokanana omaly 15 jolay, ny birao vaovao ho an’ny UNICEF, ao Ambovombe, faritra Androy. Hitondra fiovana betsaka amin’ny fampanajana ny zon’ny ankizy ao an-toerana ny fisian’ity fotodrafitrasa ity.
Ho an’ny ankizy maherin’ny 750 000
Natao indrindra hanehoana sy hanamafisana ny fahavononan’ny UNICEF amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ny fiarahamonina ao amin’ny faritra ny fanokanana ny trano ho birao vaovao ao Ambovombe. Tanjon’ity sampan-draharahan’ny Firenena mikambana ity indrindra ny hanatona bebe kokoa ny ankizy sy ny vahoaka mba hanatrarana ny tanjona haingana sy tsara. Ao anatin’izany dia ho afaka hanatona ny manam-pahefana ao an-toerana, ary hanatsarana ny ezaka amin’ny sehatra maro sahaniny, izy ireo. Mora kokoa ny fidirana amin’ireo sehatra samihafa toy ny fahasalamana, fanjarian-tsakafo, fanabeazana, fiarovana ny ankizy ary fahazoana rano madio. Ireo rehetra ireo dia ankizy maherin’ny 750 000 no mpisitraka azy any an-toerana.
Fampirantiana mikasika ny vakisiny
Nifanindra-dalana tamin’ity fitokanana ity ihany koa ny fisokafan’ny fampirantiana mikasika ny vaksiny antsoina hoe « humainement possible ». Faritra fahatelo mandray izany Androy, izay ity hita ao Ambovombe ity. Tanjon’ny hetsika ny fanehoana ny maha-zavadehibe ny ady amin’ny lefakozatra na polio, ny ezaka fanamafisana ny fanaovana vaksiny mahazatra, ary ny fanaovam-baksiny andavanandro sy ho an’ireo zaza tsy mbola natao vaksiny mihitsy na ireo tsy vita vaksiny tanteraka. Ho an’ny faritra Androy dia 69% ny taham-panaovam-baksiny ny zaza, izay mbola ambany noho ny tanjona nasionaly. Antso ho an’ny rehetra ity hetsika ity ho fampitomboana ny tahan’ny fanaovam-baksiny sy ho fanamafisana ny fandraisan’anjara ataon’ny fiaraha-monina manoloana ity laharam-pahamehana ara-pahasalamana ity.
Raha tsiahivina dia efa nambara tamin’ny fomba ofisialy, ny volana may teo, fa nifarana ny valanaretina Poliomielita eto Madagasikara. Entina hanentanana ny rehetra hanohy ny fanaovam-bakisiny araka izany ny hetsika rehetra. Maneho ny fanohanan’ny UNICEF ny fanjakana ihany koa ity fampirantiana ity mba ho vita vaksiny ny zaza rehetra.