• Cours de change
  • 5093.41 AR
  • |
  • $4422.68 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Toekarena manga : Azo atao fidiram-bola tsara eto afovoantany ny fiompiana trondro

15/07/2025 14:30 © Moov

Any amin’ny sisin-tany matetika no tena ahitana mpisehatra mikasika ny toekarena manga, saingy azo atao tsara izany eto Antananarivo sy ny manodidina. Nitsidika ny ny Orinasa Royal Tilapia, eny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga, omaly. Tsy mivoaka alavitra an’Antananarivo, kanefa mahavokatra trondro betsaka.

Mamokatra manodidina ny 97 taonina

Miompy trondro amin’ny velarana lehibe ity orinasa ity. Mety tsy ampoizina ny fandraharahana amin’ny fiompiana trondro eto Antananarivo, nefa efa misehatra amin'izany sady mahita fahombiazana tanteraka ny orinasa Royal Tilapia. Tsara hatrany ny vokatra ao an-toerana, ary indrindra hahafahana mampidi-bola betsaka. Raha ny tatitra hatrany dia milanja manodidina ny 97 taonina isaky ny enim-bolana, ny trondro vokarina ao an-toerana. Manodidina ny 80% amin’izany dia tilapia avokoa raha 15% ny « carpe royal » ary ny ambiny dia trondro gasy.
Etsy ankilany dia vinavinaina ho mampiditra vola manodidina ny 1 907 698 440 ariary na 430 000 Dolara isaky ny famoaham-bokatra ity fiompiana eo Ambatolampy Tsimahafotsy ity, hoy ny Minisitra, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Nanamarika ity farany fa azo atao tsara ny mitady vola amin’izy ity, na eto afovoantany aza. Mampiasa fianakaviana maherin’ny 40 rahateo ny orinasa.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Ao anatin’ny fanomanana ny fahatongavan’ny Tale Jeneralin’ny Organisation des Nations Unies pour l'alimentation et l'agriculture (FAO), avy any Rome izay Tomponandraikitra voalohany manerantany, eto Madagasikara ny 23 ka hatramin’ny 25 jolay ho avy izao ny Minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga. Izany no antony nitsidihana mialoha ity orinasa ity. Rehefa miresaka sakafo, mantsy dia tsy maintsy tafiditra ao anatiny ny sehatry ny Jono noho izy manampy betsaka amin'ny ady amin'ny tsifanjariantsakafo, manampy ireo tanora amam-behivavy amin'ny fampanan’asa fa indrindra hiadiana amin'ny fahantrana, hoy ny Minisitera. Isan’ny mandray anjara feno amin’izany ady iraisana izany, araka ireo fanazavana ireo ny orinasa Royal Tilapia. Marihina fa hitsidika eny an-toerana ihany koa ity Tomponandraikitra avy ao amin’ny FAO ity, mandritra ny fandalovany.

Lire la suite

Articles Similaires