• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fambolena : Nanome vola hividianana zezika ho an’ny tantsaha malagasy i Sina

09/04/2024 14:24 © Moov.Mg

Natao sonia androany, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny fifanarahana fanomezana famatsiam-bola tsy averina avy amin'ny firenena sinoa, ho famatsiana zezika ireo tantsaha mpamokatra eto Madagasikara.

Zezi-bazaha 2 000 taonina

Zezi-bazaha milanja 2 000 taonina no hovidiana amin’ity vola tsy averina avy amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina ity. Ilay karazany NPK 122412 no hovidiana amin’izany, ka hozaraina maimaim-poana amin’ireo tantsaha. Laharam-pahamehana amin’ny fahazoana izany ireo mpamokatra rava fambolena tamin’ny fandalovan’ilay rivo-doza Gamane. Nanao sonia izao fifanarahana izao, izay haharitra herintaona, ny masoivohon’i Sina eto Madagasikara, JI Ping, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, natrehin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Nanome toromarika ho an’ny talen’ny Birao Nasionaly Misahana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC) ity farany, fa amin’ny herinandro ho avy io dia tsy maintsy hatomboka ny fizarana maimaim-poana ny zezika, ho an’ireo tantsaha simba fambolena. Raha ny tombana hatreto, dia mahatratra 6 alina hektara ny fambolena rava sy simban’ny rivo-doza Gamane, any amin’ny Faritra DIANA, SAVA, Ambatosoa sy Analanjirofo. Rehefa mihena ny rano vao tena ho fantatra ny hamafin’ny fahavoazana.

Hozaraina maimaim-poana

Ny ampahany amin’ny zezika moa no hozaraina maimaim-poana ary ny ampahany hafa kosa dia entina hanamafisana ny pôlitikam-panjakana amin’ny fampitomboana ny voka-bary. Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nilaza ny filoha Andry Rajoelina fa mivelona sy miaina amin’ny tontolo ambanivohitra ny 80%-n’ny Malagasy. Tanjon’ny fitondram-panjakana, noho izany, ny hampiasana ny fambolena mba hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tsy hionona fotsiny amin’ny fiandrasana fanampiana anefa ny fitondrana, hoy hatrany ny filoha, fa handinika ny hahafahana mametraka orinasam-panjakana mpamokatra zezika, any amin’ny Faritra maro. Vinavinaina ny hampiakarana ny taham-bokatra ho 5 hatramin’ny 6 taonina isaky ny hektara, raha toa ka 2 hatramin’ny 3 taonina isaky ny hektara izany amin’izao fotoana izao. Ho hatsaraina sy havaozina ihany koa ny teknika sy ny rafi-pamokarana eto Madagasikara, mba hiverenan’ny nosy indray ho sompitra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina.

Nilaza moa ny masoivohon’i Sina fa hanolotra fanampiana ara-tsakafo maika ihany koa, izay hozaraina ho an’ireo vahoaka any amin’ireo Faritra nandalovan’ny rivo-doza Gamane.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo