• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fanadiovana an’Antananarivo : Ampandraisina andraikitra ireo mpianatra

09/04/2024 16:39 © Moov.Mg

Nanentana momba ny fahadiovana, teny anivon’ny lisea sy EPP Jean Joseph Rabearivelo Analakely, ao amin'ny boriborintany voalohany, ny Filohan'ny delegasiônina manokan'ny tanànan'Antananarivo (PDS), Richard Ramanambintana, androany. Tafiditra ao anatin’ny famerenana ny hasin’Antananarivo izany.

Fahazarana tsara

Fanentanana sy fitaizana ho olom-banona, niompana tamin’ny fanadiovana ny tanàna, no notontosain’ny PDS Richard Ramanambintana teny amin’ny lisea sy EPP Jean Joseph Rabearivelo. Isan’ny nampahafantarina sy nampahatsiahivina an’ireo mpianatra tamin’izany ny momba ny fanariam-pako sy ireo karazana fako azo ariana eny amin’ny dabam-pako iombonana. Tanjona ny mba hananan’ireo ankizy fahazarana tsara eo amin’ny lafiny fahadiovana, ary ny hampitan’izy ireo izany amin'ny manodidina azy. Ao anatin’ny tanjon’ny PDS Richard Ramanambintana, amin’izao fitantanany ny renivohitr’i Madagasikara izao, ny famerenana indray ny hasin’Antananarivo. Ankoatra ny asa fanadiovana izay tanterahan'ny avy eo anivon'ny tanànan'Antananarivo dia zava-dehibe ihany koa ny momba ny fanabeazana, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Fifaninana sekoly madio

Nanamarika ity andro androany ity, ankoatra izay, ny fanomezana mari-pakasitrahana ho an'ireo ankizy sangany, nandritra ny telo volana faharoa, teo anivon’ny lisea sy EPP Jean Joseph Rabearivelo. Taorian’ity fidinana voalohany ity dia mbola hitohy any amin’ny sekoly maromaro eto an-drenivohitra ny hetsika. Hisy ihany koa ny fifaninana sekoly madio indrindra, ka afaka mandray anjara amin’izany ireo sekoly eto anivon’ny Kaominina. Tanjon’izany ny hamporisihana ireo mpianatra mba hitandro hatrany ny fahadiovana, ka hahatonga azy ireo ho fitaratra eo anivon’ny fiarahamonina. Efa fampandraisana andraikitra azy ireo sahady ihany koa izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo