• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Fahasalamana : Mandalo eto Madagasikara ireo sinoa mpandidy mpanao asa soa

09/04/2024 21:14 © Moov

Mandalo eto Madagasikara, ao amin'ny CENHOSOA, ny fikambanana kristiana "His FOUNDATION LIMITED", izay ahitana mpitsabo sy mpandidy vahiny avy any Hong Kong.

Fitsaboana sy fandidiana

Ny Hôpitaly miaramila Soavinandriana no nosafidian'ny "His Foundation Limited" hanatanterahana ny fitsaboana maimaimpoana ho an'ireo izay tena mila izany.

Mizara roa ny fandidiana atolotr'ireo dokotera sinoa ireo :
-"Chirurgie maxillo-faciale" na fanamboarana ireny sima, na olona misy lavaka amin’ny ativava sy orona ireny ;
-"Chirurgie orthopédique" na fanamboarana ireo tongotra misy fahasamponana na tsy tomombana hatrany am-bohoka nefa azo ahitsy, ary koa ireo takaitra vokatry ny “Brûlure” na fahamaizana.
Mandritra ny roa herinandro ireto mpitsabo vahiny ireto no hanatanteraka izany iraka manokana izany ao amin'ny CENHOSOA.


Copyright Image : © MDN.jpg

Fampitaovana

Nisitraka fitaovana vaovao ny Hopitaly miaramila ao Soavinandriana. Tsy inona ireo natolotr'ireo dokotera sinoa fa ny "Respirateur" na fitaovana fampatoriana sy famelomana aina ho an'ireo "Anesthésistes, ary Réanimateurs" na ireo dokotera mpampatory sy mpamelona aina. Eo koa ny "Autoclave" na fitaovana fanadiovana ireo fitaovana entina mandidy.
Amin'ity indray mitoraka ity, araka ny fantatra dia hanao "Chirurgie Maxillo-faciale"na fandidiana ny tarehy sy ny molotra ary ny ativava mahatratra hatrany amin’ny 22 isa izy ireo, ary "Chirurgie orthopédique" na fandidiana ny tongotra sy ny tanana hatrany amin’ny 15 isa eo ho eo.


Copyright Image : © MDN

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo