• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Rivodoza Gamane - Sambava : Mbola mitohy ny famonjena ireo traboina

10/04/2024 08:59 © Moov

Mbola tsy ritra tsara ny rano any amin'ny toerana maro any amin'ny faritra avaratry ny Nosy. Mbola misy araka izany ny fametrahana ireo traboina amin'ny toerana avo sy azo antoka, ary koa ny fizarana sakafo.

Mifanolo-tanana amin'ny fandraisana an-tanana ireo traboina ny fitondram-panjakana, ny Tafika Malagasy sy ireo olon-tsotra.
Toy ny natao tamin'ny toerana rehetra nisian'ireo traboina vokatry ny rivodoza Gamane, dia tsy mitsahatra mamonjy ny vahoaka ny Tafika malagasy. Nirotsaka an-tsehatra ireo miaramilan'ny "Bataillon d'Infanterie" Vohimarina, nanampy ny olona tao Fokontany Nosibe Sambava. Nisy ny fanavotana ireo olona tratry ny ranobe, ka olona miisa 586 no voavonjy tao anatin'ny tokantrano 82 tao Anosibe. Nisy ny fampiasana ireo sambo aingam-pandeha nitaterana ny olona, teo koa ny famonjena ireo olona nafindra toeram-ponenana vonjimaika, izay nahatratra 30 tao amin'ny Fokontany "Belle# souvenir". Ho an'ny Kaominina ambanivohitr'i Farahalana kosa, dia niarahan'ny OMC tany an-toerana ny famonjena ireo vahoaka.
Amin'ny ankapobeny dia efa miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny fiainana andavanandron'ny mponina ao Sambava, na dia mbola eo aza ny takaitra navelan'ny rivodoza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo