• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Zanadranavalona Anosimanjaka : Fankalazana ny Taombaovao Alahamady 2024

10/04/2024 13:10 © Moov

Androany 10 aprily no notanterahina ny fankalazana miavaka ny Taombaovao Alahamady 2024, taona faha-463. Vory lanona avokoa ireo taranaky ny Mpanjaka, ireo olo-manan-kaja isan-tokony sy ireo olon-tsotra, teny Anosimanjaka.

Fankalazana ara-drazana

Tsy misaraka amin'ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy ireo fombafomba isan-karazany. Tena tsy azo ihodivirana amin'izany ny famonoana omby. Mariky ny fisaorana noho ny fety izany, ary ny ràn'ilay omby no angalana hanasinana ny fasan'ny Mpanjaka sy ahosotra amin'ny andrin'izay mitady fitahiana.. Omby roa no novonoina.

Nahazo tso-drano ihany koa ireo mpanotrona rehetra. Koa satria andro firavoravoana, nisy ny fizarana hena sy ny nofonkena mitam-pihavanana. Nahazo solombodiakoho avokoa ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona nanotrona.
Ny mpitondra avy eny Antehiroka no nanomboka ny lanonana satria araky ny hafatr'Andriamasinavalona dia "Antehiroka tsy ialohavam-pitenenana". Notanterahina ny atoandro teo ihany koa ny fametrahana ny birao vaovaon'ny Zanadranavalona, izay tarihan'Ny Andriana Alain Eddy Louis Ravelonarivo.
Tsy mifarana hatreo ny fankalazana ny Alahamadibe, satria mbola hisy fety indray rahampitso alakamisy 11 aprily. Eny Anosimanjaka ihany ny fotoana amin'ny hiragasy hifanandrinan'ny Tarika Emilison avy ao Arivonimamo sy ny Tarika Rafara Hasimanga Georgine avy ao Ambohimandroso.


Copyright Image : © Moov

Fanazavana mikasika ny Alahamadibe

Manana volana miisa 12 ny taona iray, izay manomboka amin'ny Alahamady ka mifarana amin'ny Alohotsy. Eo amin'ny fanisana ny andro voalohany amin'ny taona izany no samy manana ny azy, ka maha-samihafa ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Mikasika ny fanisana ny taona indray, dia 354 andro izany (fa tsy 365 andro toy ny an'ny tandrefana) satria 29 andro sy tapany ihany ny volana iray raha be indrindra. Izany fomba fanisana izany dia nampianarin'ilay teratany Arabo izay mitondra ny anarana hoe Habib, sady mpanandro izy io no mpanolotsain'ny Mpanjaka. Araka ny lovan-tsofina, io Habib io dia nasandratry ny teny Ambohidrabiby ho Mpanjaka mihitsy.
Nankatoavin'ny Malagasy tsivakivolo izany fanisana Arabo izany nandritra ny 400 taona mahery, saingy niova izany noho ny rivo-pandrosoana isan-karazany. Nankalaza ny taombaovao tena malagasy avokoa ireo Mpanjaka rehetra nifandimby teto Imerina, afa-tsy Ranavalona faha-III izay efa nandala ny fivavahana kristiana. Novainy ho ny datin'andro nahaterahany, izany hoe ny 22 novambra, ny Alahamadibe. Rehefa tonga indray nefa ireo mpanjanatany Frantsay dia ny kalandrie gregoriana no noterena nampiasaina : ny taombaovao iraisana manerantany dia ny 1 janoary ihany.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo