• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Rajao
Image
Vaovao

Tantara mitohy Malok’ila : Mpilalao miisa 6 no efa nindaosin’ny fahafatesana

10/04/2024 16:43 © Moov.Mg

Vaovao mampalahelo nanamarika ity andro androany ity ny fahalasanan’Andriamahefa Emmanuel, na i Emmanuel, tao anatin’ilay tantara mitohy « Malok’ila ». Mamoha ihany koa ny fahatsiarovana izany, fa efa maromaro ireo mpilalao tao anatin’ity tantara ity no lasa nialoha lalana.

Nametraka ny maha-izy

Isan’ireo mpifanandrina nifamaly lava tamin-dRajao, na Rakotoson Tsarafara raha ny tena anarany, i Emmanuel. Tsy isan’ireo mpilalao fototry ny tantara hatrany am-piandohana izy, fa nametraka ny maha-izy azy kosa tao anatin’ity horonantsary malagasy isan’ny be mpankafy indrindra ity. Efa fotoana elaela ihany izay i Andriamahefa Emmanuel no nolazoin’ny aretina, ary izao izy nodimandry izao. Ankoatra ny maha mpilalao sarimihetsika azy dia isan’ireo mpanolo-tsain’ny tanàna eo anivon'ny Kaominina Soalandy Ankadivoribe Atsimo ihany koa izy, ary nodokafan’ireo nahalala azy ho tena nijoro ho Raiamandreny amin’ny tanàna no sady nitondra hevi-baovao foana, mba ho fanatsarana ny kaominina misy azy.

Maloka tanteraka

Tsy fomban’ny Malagasy ny manisa razana, saingy tsaroana etoana fa nosembanin-drahona matetika, ary tsy malok’ila fotsiny fa tena imbetsaka no maloka tanteraka, ny fianakaviamben’ireo mpilalao sarimihetsika tao anatin’ity andian-tantara ity. Ilay mpilalao fototra Ranaivoson Benjamina Andriamanalina, izay nitana ny anjara toeran’i Johary, no nanamarika ny mpankafy voalohany ny fahalasanany, raha mbola vao tanora erotrerony izy. Nanaraka teo ihany koa Razafindrakoto Gerard, na Randrenja ; Volamasy Olga, na Marianne ; Raoelijaona Thomas, na Ingahy Ratôma ; Harinjatovo Rakotondramanana, fantatra ihany koa amin’ny hoe : Hary Kalizy, na Ralay ; ary dia izao lasa izao koa i Andriamahefa Emmanuel.

Andiany faha-16

Raha tsiahivina dia tamin’ny volana desambra 2023 no nivoaka DVD ny andiany farany tamin’ny sarimihetsika Malok’ila, nampitondraina ny lohateny hoe : « Malok'Ila Le Grand Retour » ary efa tsy isan’ireo nilalao tao anatiny intsony i Emmanuel, noho ny aretina nahazo azy. Efa miala any kosa ny andiany manaraka, izay andiany faha-16, raha ny fampahafantarana nataon’ny Scoop Digital, izay trano mpamokatra ny tantara. Nomena ny lohateny hoe : « Malok'Ila Zeparsa » izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo