• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Teti-bola ho an’ny vaksiny : Kely loatra ka tokony ampiakarina, hoy ny firaisamonim-pirenena

11/04/2024 13:43 © Moov.Mg

Isan’ny olana goavana tsy ahafahan’ny zaza malagasy misitraka vaksiny ny tsy fahampian’ny teti-bola atokana ho amin’izany fanaovam-bakisiny izany. Nanatanteraka atrikasa momba ny haitaky, ny amin’ny tokony hampiakarana izany teti-bola izany ny firaisamonim-pirenena, omaly.

Adisisika

Teo anelanelan’ny taona 2019 sy 2024, dia nihenahena teo amin’ny 7% hatramin’ny 8% ny teti-bolam-panjakana atokana ho an’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ankapobeny, na dia teo aza ny adisisika maro efa nataon’ny firaisamonim-pirenena ny amin’ny tokony hampitomboana izany. Ny 11% amin’io teti-bola io no aompana amin’ny vaksiny. Ao anatin’io 11% io indray, ny 1,7% ihany no tena tetibolam-panjakana madiodio fa ny ampahany betsaka dia avy amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Na efa kely aza ny teti-bola atokana ho an’ny fahasalamana dia mbola ambany koa ny taham-pandaniana (taux d’engagement) eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana, satria hatreto dia tsy mihoatra ny 50% izany, araka ny fanazavana nomen-dRamarosona Faniry Hantarinivo, filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny Vovonana HINA, izay mpanatanteraka ity tetikasa haitaky ho an’ny fampitomboana ny teti-bola ho an’ny fanaovam-bakisiny ity.

Ankizy « daozy aotra »

Raha ny zava-misy eto Madagasikara dia mbola ambany ny taham-pisitrahan’ny zaza malagasy ny fanaovam-bakisiny. Araka ny fanazavana dia ny 18%-n’ny zaza latsaky ny 23 volana eto Madagasikara no tsy natao vaksiny mihitsy. 38% kosa ny tahan’ireo zaza vita vaksiny, amin’ny ankapobeny, saingy 35% io taha io any amin’ny tontolo ambanivohitra raha mba tafakatra 55% kosa ho an’ny tontolo an-drenivohitra. Iray amin’ireo antony maha-betsaka ny ankizy « daozy aotra » ny hakelin’ny teti-bola atontona amin’ny fanaovam-bakisiny. Antoky ny fahasalaman’ny olona hatramin’ny fahalehibiazany anefa ny fahavitany vaksiny, izay miaro azy amin’ny aretina. Vao mitsaika ny zaza dia misy ny vaksiny ataon’ny reny bevohoka, izay mampitombo ny hery fiarovana, ka ahafahany miatrika ny fitondrany vohoka sy ny fiterahana. Vao teraka indray ny zaza dia misy ireo antsoina hoe : « vaccin de routine », izay maimaim-poana no fanaovana azy.

1 000 andro voalohany

Ny Vovonana HINA, ny CCOC (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes) ary ny tambajotran’ny tanora NOSYW no mpanatanteraka ity tetikasa ity. Ny Global Health Advocacy Incubator (GHAI) kosa no mpamatsy vola. Raha ny fahafantarana ny Vovonana HINA hatramin’izay, dia ny ady ho amin’ny fanjariantsakafo eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny famongorana ireo antony mivantana na an-kolaka miteraka ny tsifanjariantsakafo no iseharany. Tafiditra ao anatin’ny antony mety hiteraka tsy fahasalamana ary mitohy mankany amin’ny tsifanjariantsakafo, ny tsy fahavitan’ny vaksiny eo amin’ny reny mitondra vohoka sy ny zaza vao teraka hatramin’ny 2 taona. Araka izany, tafiditra ao anatin’ny fandraisana andraikitra mandritra ny 1000 andro voalohan’ny zaza ny fanaovam-baksiny, anton’ity tetikasa haitaky ity. Any amin’ny Faritra Boeny, Betsiboka, SAVA, Sofia, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana no hanatanterahana izany, mandritra ny 12 volana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo