• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fitaterana : Lalandràn'ny ekonomian'ny Firenena

11/04/2024 17:12 © Moov

Nosokafana androany 11 aprily ny "Salon international des Transports de la Logistique et de la Manutention", andiany faha-3. Koa satria hetsika iraisam-pirenena izy io, firenena enina no mandray anjara.

Fanandratana ireo tolotra sy fitaovana fitaterana

Miisa 108 ny tranoeva eny amin'ny Parc des Expositions Forello Tanjombato. Misehatra amin'ny fitaterana, amin'ny fivarotana fitaovam-pitaterana sy amin'ny fanamorana ny fifamezivezena izy ireo. Misy ireo misehatra amin'ny fitaterana an-dalambe, an-dranomasina, an-dalamby ary an'habakabaka. Tsy adino ihany koa ireo manana tolotra mikasika ny "intelligence artificielle" toy ny "drône" izay afaka manaparitaka fanafody manerana ny Nosy.

Maharitra 4 andro ny hetsika ka ny alahady 14 aprily izany vao hifarana. Ny Ministeran'ny Fitaterana moa no tena mpikarakara, miaraka amin'ny Hazovato sy ny ireo orinasa tsy miankina maro mpanohana, toy ny Telma. Ny Minisitry ny Asa Vaventy, Colonel Andrianatrehina Livah, no ray mpiahy izao hetsika fampiroboroboana ny sehatry ny fitaterana izao.


Copyright Image : © Moov

Fampandrosoana ny ekonomia

Lalandràn'ny firenena malagasy ny fitaterana eto an-toerana sy any ivelany, hoy ny minisitry ny fitaterana, Ramonjavelo Valery. Miantoka ny famatsiana/ famoahana entana sy ny fifamezivezen'ny olona mantsy izany. Rehefa mandroso ny fitaterana dia tsy sahirana ireo mponina amin'ny toerana rehetra mivarotra sy mandray vokatra, sady afaka mihaona amin'ireo havana aman-tsakaiza. Tsy adino ihany koa fa sehatra mamelona orinasa sy olon-tsotra maro ny fitaterana. Efa misy rahateo ireo karazana fiara mahafapo ny filàn'ny tsirairay. Anisan'ireo mbola vaovao eto Madagasikara izao ny "véhicules électriques" izay tsy ampiasana solika.
Raha ny momba ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ny any ivelany dia azo itokisana tsara ireo mpitatitra an'habakabaka sy an-dranomasina. Ny seranam-piaramanidina dia miisa 58. Manana seranantsambo indray miisa 30 be izao mantsy i Madagasikara ka ny efatra amin'ireo no tena lehibe. Mbola misy ireo asa fanitarana ireo seranantsambo, indrindra fa ireo tena lehibe eto Madagasikara.


Copyright Image : © MTP

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo