• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Mickaelys Kamy
Image
Vaovao

« Lalaina zana-drano » : Tena ilaina isaky ny misy olona atelin’ny rano

11/04/2024 17:18 © Midi Madagasikara

Raha vao misy loza an-dranomasina na an-dranomamy dia tsy maintsy izy aloha no alehan’ny sain’ny maro voalohany. Tsy iza izany fa ilay lehilahy manana fahaizana manokana amin’ny fikarohana olona natelin’ny rano.

Tsy misy tsy mahalala an’i Lalaina Zana-drano ankehitriny raha vao any amin’ny faritra atsinanana sy ny manodidina azy. Lasa mitety tanàna maro ao anatin’io faritra io mihitsy aza izy ankehitriny satria lasa be mpitady. Aleon’ny olona miantso azy amin’ny fikarohana toa izay mitady vahaolana hafa. Ary dia tena mitombina tokoa, hoy ny mpijoro vavolombelona izay teneniny. Toa ny hoe mipoitra maraina eo ireo natelin’ny rano sns. Eo koa ny fikarohany an-drano izay arakaraky ny zava-misy, mety hita velona ny olona. Betsaka ny mankasitraka azy noho io fahaizany manokana io ary mirary ny mba tokony hanomezana fitaovana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo