• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Marino Rajaonina
Image
Vaovao

MAP InsuResilience : Tetikasa ho fiantohana ara-bola ny takaitran’ny loza voajanahary

12/04/2024 13:57 © Moov.Mg

Anisan’ireo firenena 7 aty Afrika sy any Azia, izay misitraka ny tetikasa « MAP InsuResilience », miompana amin’ny fiantohana eo anatrehan’ny loza voajanahary, i Madagasikara. Miditra amin’ny andiany faharoa ity tetikasa ity ankehitriny.

Manamafy ny sandantohitra

Tanjon’ny tetikasa « MAP InsuResilience » ny hanamafy ny sandantohitry ny mponina eny ifotony, toa ireo mpamboly sy ireo mpiompy, izay iharan’ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro mivantana. Raha ny amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara, ohatra, dia ny hain-tany no tena mamely ary any amin’ny ilany avaratra, dia ny rivo-doza, izay miteraka tondra-drano, no tena mateti-pitranga. Mety hanimba ny velon-tenan’ireo mponina ireo loza voajanahary ireo, ary izany indrindra no iompanan’ny tetikasa MAP InsuResilience, iarahan’ny SAF/FJKM sy ny Care Madagascar manatanteraka. Raha hazavaina tsotsotra ny tanterahina ao anatin’ny tetikasa dia famatsiam-bola na fiantohana ara-bola ny tandindon-doza sy ny vokatry ny loza voajanahary (CDRFI), miaraka amin’ny fanarenana izay simba nateraky ny fandalovan’ny rivo-doza na ny hain-tany. Raha tsorina, dia mitovy amin’izay mitranga amin’ny fiantohana (assurance) momba ny trano, na ny fiara ihany izany.

Fiarahana miombon’antoka

Ny hahafahan’i Madagasikara miatrika ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miombon'antok’ireo mpisehatra isan-tsokajiny, no tanjon’ny tetikasa. Laharam-pahamehana, araka izany, ny fandrindrana sy ny fiarahan’ireo mpisehatra isan-tsokanjiny miombon’antoka. Tafiditra ao anatin’izany ny avy amin’ny mpitondra fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ary ny seha-pikarohana. Raha tsiahivina dia firenena fahatelo marefo indrina eran-tany, amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, i Madagasikara ary voalohany kosa raha aty amin’ny faritr’i Afrika. Antony ivoizana ny CDRFI, izay vahaolana famatsiam-bola ato anatin’ny tetikasa izany. Ny banky alemana BMZ moa no mamatsy vola ny tetikasa MAP InsuResilience.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo