• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Rivodoza Gamane : Mitohy ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba any Avaratra

13/04/2024 06:32 © Moov

Mbola tsy tapitra hatreo ny fanarenana ny takaitra navelan'ny rivodoza Gamane, indrindra ho an'ny faritra avaratry ny Nosy.

Nitarika fivoriana tao Ambilobe ny Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian omaly 12 aprily. Ny mikasika ny fanamboaran-dalana no tena nodinihina tamin'izany. Rehefa tapaka mantsy ny fifamoivozana dia miakatra ny vidin'entana sady lasa mitoka-monina ilay faritra. Mitombo ihany koa ny fandaniana ho an'ireo te hivezivezy noho ny antony maro. Voatery miampita sambo, mandeha moto sady mifindra fiara indroa na intelo mantsy. Ho an'ireo manana fahafahana moa dia mandeha fiaramanidina mihitsy.

Misokatra tanteraka ny RNS 5A

Nosokafana omaly ny RNS 5A, mampifandray an’Ambilobe sy Vohemar. Izany no tanteraka dia noho ny fahavitan'ny tetezana telo tapaka sy nahitana fahasimbana goavana. Anisan’izany ny teo Manakolana, teboka halavirandalana PK 99+000, sy ny teo Tenanimadiro Maromokotra, PK 67+700. Tafapetraka ihany koa ny tetezam-by vonjimaika na « pont modulaire » eo Tenanimadiro.

Misokatra amin'ny ampahany ny RN6

Mahakasika ny RN6 indray dia efa misokatra ny tapany avy aty Ambanja ka hatreo amin’ny tetezan’i Ifasy. Mbola eo am-panatanterahana fanamboarana mantsy ny Orinasa Colas. Vinavinaina ho vita amin'ny herinandro ho avy io ny ampahan-dàlana avy eo Ifasy ka hatramin’ny tetezana Mahavavy. Afaka roa herinandro kosa no ho vita tanteraka ny asa fanamboarana ireo tetezana lehibe vonjimaika miisa roa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo