• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

Olan’ny rafitry ny fahasalamana : Dokotera 0,086 isa no misahana olona 1 000 isa eto Madagasikara

15/04/2024 10:06 © Moov.Mg

Mbola mila ezaka sy fanatsarana ny fahazoan’ny mponina eny ifotony ireo tolotra ara-pahasalamana, araka ny fanadihadiana nataon’ny fiarahamonim-pirenena tohanan’ny Global Fund Financing (GFF) tany amin’ny Faritra miisa 8 teto Madagasikara.

Ireo lesoka mila arenina

Saika mitovitovy daholo ny vokatry ny fitiliana azo avy amin’ireo CSB II miisa 16, tany amin’ireo Faritra 8 nanaovana ny fanadihadiana, araka ny fanazavan’i Rivomahaleo Andotiana, mpikambana ao anatin’ny filàn-kevi-pitantananan’ny Hetsika Iraisana Natokana ho amin’ny Ady amin’ny Tsifanjariantsakafo (Vovonana HINA). Tafiditra ao anatin’ny lesoka tena mila arenina ny tsy fahampian’ny tolotra momba ny fandrindram-piterahana, izay matetika no tapaka famatsiana ary tsy ahitana ireo karazany rehetra azo isafidianana. Momba ny fitaovana ilaina amin’ny fitsaboana, misy no simba, misy no tsy ampy, hoy hatrany izy, ka anaovana antso avo amin’ny mpanapa-kevitra isan-tsokajiny ny fanatsarana izany. Isan’ny ahitana olana ihany koa ny momba ny fiandrasana ny mpitsabo, izay tsy misy toerana fiandrasana akory any amin’ireo CSB maro, fa eny an-tokontany na eny an-davarangana ireo marary no mijorojoro mandrampandraisana azy. Vitsy anefa ny isan’ireo dokotera miasa amin’ireny ivon-toeram-pitsaboana fototra ireny ka indraindray, tena filaharam-be mihitsy no hita eny. Indraindray koa aza, mpitsbo mpanampy no misahana ny marary, fa tsy misy ny dokotera.

Fandraisan’anjara ifotony

Tany amin’ny Faritra DIANA, Ihorombe, Melaky, Atsinanana, Analanjrofo, Vakinankaratra, Menabe ary Alaotra Mangoro no nanatanterahana ity fanadihadiana ity, niarahan’ny Vovonana HINA, ny Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes (CCOC), ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana (OSCEAH) ary ny fiombonana malagasy ho an’ny fanatsaranana ny rafi-pahasalamana (COMARESS) nitarika. Nanomboka tamin’ny taona 2021 ny fidianana voalohany notanterahin’ireto fiarahamonim-pirenena ireto ary ny taona 2023 no nisy ny fidinana fanindroany, nahazoana izao vokatra izao. Ilay fiantomorana antsoina hoe : « Scorecard Communautaire » no nampiasaina tamin’izany, izay raha hazavaina tsotsotra dia ireo mponina eny ifotony sy ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony no manome ny heviny momba ny fisitrahana fahasalamana eny amin’ireo tobim-pahasalamana fototra. Izy ireo ihany koa dia efa afaka manolotra soso-kevitra ho fanatsarana izany.

Mbola sarotra

Raha tsiahivina, toy ireo Firenena rehetra ao anatin’ny Firenena Mikambana, dia isan’ireo miezaka manatratra ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy (ODD) i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny ODD faha-3 ny tokony hisitrahan’ny olona rehetra fahasalamana feno. Mbola sarotra anefa izany eto amintsika raha ny zava-misy, satria ho an’ny 65%-n’ny Malagasy dia 5km na mahery no elanelan’ny toeram-ponenany sy ny tobim-pitsaboana. Ny 48% amin’ireo fanafody fototra ihany, amin’ny ankapobeny, no hita eny amin’ireny tobim-pahasalamana ireny. Fa indrindra, dokotera 0,086 no misahana olona 1 000 isa eto amintsika. Noho ireo antony rehetra ireo dia tsy mampiasa ireo tolotra fahasalamana fototra ny 70%-n’ny Malagasy, raha sendra tojo tsy fahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo