• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Rap Gasy : Hifanakalo traikefa amin’ireo mpiangaly Hip Hop, any Etazonia, i Kwincy (DEGGA MTSE)

15/04/2024 11:11 © Moov.Mg

Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program (IVLP), miompana amin'ny lohahevitra hoe : « Hip Hop and Civic Engagement », i Andrianotahiana Lalaina, fantatra amin’ny hoe : Kwincy, izay anarana maha-mpanakanto azy.

Mamboly fifandraisana

Efa ela nilomanosana tao anatin’ny tontolon’ny « Rap Gasy » i Andrianotahiana Lalaina, na i Kwincy Kwinga. Mpikambana ao amin’ny DEGGA MTSE izy, izay tafiditra ao anatin’ny vondrona « Diosezy ». Sady mpanakanto misehatra eo amin'ny tontolon'ny Hip Hop izy no mpanabe ihany koa, antony nahavoafidy azy handray anjara amin'ity praograma International Visitor Leadership Program (IVLP) ity, araka ny fampitam-baovaon’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara. Fandaharan'asa fifanakalozana matihanina voalohany, an'ny Departemantam-panjakana Amerikanina, ny praograma IVLP. Ao anatin’izany no itondrana ireo mpandray anjara avy amin'ny sehatra isan-karazany, manao fitsidihana fohy any Etazonia. Tanjona amin’izany ny hambolen’izy ireo fifandraisana maharitra amin'ireo Amerikanina mpiray sehatra amin'izy ireo.

Anjara toeran'ny Hip Hop

Araka izany, hitsidika an’i Washington, Distrikan’i Colombia, New York sy Caroline Avaratra i Kwincy, mandritra ny telo herinandro. Hihaona amin’ny mpisehatra amerikanina sy mpitarika avy amin'ny firenena maro hafa izy, mandritra izany, ka hifanakalo hevitra momba ny anjara toeran'ny kolontsaina Hip Hop manoloana ireo fanamby atrehin'ny fiarahamonina ankehitriny. Tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny herisetra, ny fanavakavahana ary ny fidorohana zava-mahadomelina. Mialohan'ny niaingany ho any Etazonia, dia nirary soa an’i Andrianotahiana Lalaina, noho izao nahavoafidy azy hisitraka ny IVLP izao, Atoa Craig Ferguson, Mpanolotsaina momba ny Serasera sy ny Kolontsaina eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo