• Cours de change
  • 5099.04 AR
  • |
  • $4447.21 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fampianarana teknika : Afitrano sy fitaovana vaovao hositrahin’ireo mpianatra momba ny « énergie solaire » ao Toliara

11/11/2024 09:50 © Moov

Mivelatra ny sehatry ny fampianarana teknika amin’izao fotoana izao, indrindra ny momba ny angovo azo havaozina. Porofon’izany ny fanolorana efitrano sy fitaovana samihafa ho an’ny sampam-pianarana « énergies solaires photovoltaïques » ao amin’ny LTP Toliara. Efitrano ho ampiasan’ireo mpianatra sy fitaovana hanaovana fampiharana ireo natolotra ireo. Fiaraha-miasa eo amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, ny GIZ Madagascar - PERER ary ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) izany asa izany.

Sampam-piofanana voalohany aty amin’ny tapany atsimon’ny Afrika

Raha ny fanazavana avy amin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo dia sampam-piofanana voalohany eto Madagasikara sy aty amin’ny tapany atsimon’ny Afrika ity ao Toliara ity. Araka izany, manan-danja eo amin'ny sehatry ny angovo sy ny fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa ity tetikasa vaovao ity. Izany indrindra no nanolorana ireto fitaovana sy fotodrafitrasa ireto. Ity sampam-panofanana vaovao ity dia mamolavola ireo tanora ho lasa Teknisianina amin'ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro (Technicien en Systèmes Solaires Photovoltaïques). Tonga nanome voninahitra ny fotoana moa ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, rasoloarisoa Marie Marcelline, ny Talem-paritrin’ny Angovo sy ny akoranafo eto Toliara, ny Prefet, ary ny Ben’ny Tanàna.

Mpianatra miisa 9

Tsara ny manamarika fa vao tamin’ity taona ity no nanombohan’ity fampiofanana ity. Miisa 9 araka izany ny mpianatra andiany voalohany ao anatin’ny sekoly. Maharitra 8 volana ny fampiofanana ireto mpianatra ireto ary tsy maintsy teknisianina izy ireo rehefa mivoaka ao. Tanjon’ny fiofanana ny hanomanana malagasy afaka hikirakira ny momba ny angovo avy amin’ny masoandro. Izay tena filàna lehibe ho an’ny Madagasikara amin’izao fotoana izao noho ny olan’ny fahatapahan-jiro. Izay marihina fa efa mivily any amin’ny fampiasana angovo avy amin’ny masoandro sy ny angovo azo havaozina ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Hamaly ny filan'ireo orinasa miantsehatra amin'ny angovo azo havaozina ny fivoahan'ireo tanora avy amin'ity sampam-piofanana ity. Ireo orinasa tsy miankina ireo ihany no handray ireo mpianatra ireo amin’ny fampiofanana mifandimby na « formation en alternance ».

Lire la suite

Articles Similaires