RN6 : Efa vita hatramin’ny 50%-n'ny asa fanamboarana ny toby fandanjana fiara ao Ambanja
Nanara-maso ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny toeram-pandanjana fiara lehibe ao Ambanja ny Minisitry ny asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, omaly. Raha ny fizotry ny asa dia efa vita amin’ny ampahany ny fanamboarana, izany hoe efa mahatratra 50% ny asa vita amin’izao fotoana izao.
Ho vita ny volana avrily
Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny Fitondram-panjakana amin’ny fiarovana sy fikojakojana ny lalam-pirenena ny fananganana sy fanavaozana ireo toby fandanjana fiara vaventy ireo. Zava-dehibe amin’ny fiarovana ny lalana sy ny fanalefahana ny fahasimban’ny fotodrafitrasa vokatry ny fitaterana mavesatra ny fanaraha-maso ny lanjan’ny fiara vaventy. Io eo Ambanja io izao dia efa vita hatramin’ny 50% ny asa amin’izao fotoana izao, hoy ny avy ao amin’ny Minisitera. Nomarihina fa efa tonga ao Ambilobe kosa ny "pèse-essieux", iray amin’ireo fitaovana maoderina hapetraka amin’ity toby ity.
Raha araka ny vinavina dia ho vita amin’ny faran’ny volana avrily ny fananganana io toby fandanjana io. Hanaraka ny fandaminana efa napetraka izany, raha ny fanamarihana. Kasaina kosa ny hampiasaina izany amin’ny faran’ny volana jona. Eo ambany fandrindran’ny « Agence Routière » kosa izy amin’izay fotoana izay.
Hampiasana herinaratra avy amin’ny masoandro
Entina hanatsarana ny fampiasana io toby lehibe iray io sy ho fahombiazany dia hapetraka ao an-toerana ihany koa ny trano ho an’ny mpiasa. Etsy ankilany, amin’ny maha-toerana mafana iny tapany avaratra iny dia hampiasaina ny angovo azo avy amin’ny masoandro amin’ny alalan’ny "panneau solaire" ny toerana. Natao indrindra mba hiantohana ny fahaleovantenan’ny toby amin’ny lafiny herinaratra izany.
Tsara moa ny mampatsiahy fa eo am-piandrasana ny volavolana didim-pitondrana hivoaka ato ato hahafahana mampihatra ny sazy amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny Minisitera, raha ny fanazavana ny volana janoary lasa teo. Tafiditra ao anatin’izany fanasaziana izany ny fitondrana entana mihoatra ny vesatra voamarina ho entin’ilay fiara sy ny lalana hizorany.