• Cours de change
  • 5097.01 AR
  • |
  • $4464.44 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena : Tanimbary mirefy 2 500ha mbola tsy mahazo rano ao Amparafaravola

24/02/2025 11:19 © Moov

Mbola sahirana amin’ny tsy fahampian-drano ny mpamboly ao amin’ny Lemak’Amboavory, ao anatin’ny Distrikan’Amparafaravola. Nitsidika tany an-toerana ny Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no nandraisany ireo soso-kevitra avy amin’ny mponina hanarenana izany olana izany.

Ritra ny toho-drano

Na dia nisy aza ny orana dia mbola tsy mahampy amin’ny fambolena vary ny fahamandoan’ny tany, any an-toerana. Tanimbary midadasika mirefy 2 500 ha no mbola maina tanteraka amin’izao fotoana izao, ao amin’io lemaka lehibe io. Raha ny fanazavan’ireo mpamboly dia efa misy toho-drano ihany, afaka mamatsy rano io toerana io saingy ritra tanteraka izy io amin’izao fotoana izao. Etsy ankilany dia tsy afaka manondraka afatsy 700Ha ihany io tohodrano io hatrizay. Tsara ny manamarika fa isan’ny toerana mpamokatra vary betsaka, izany hoe isan’ny sompitr’i Madagasikara i Amparafaravola. Manoloana io tsy fahampian-drano io anefa dia mety ho tara ny fiakaran’ny vary ary mety hisy fiantraikany any amin’ny fanjifana eto an-toerana izany. Amin’izao fotoana izao dia miandrandra orana ireo tantsaha, satria mbola tsy ampy io rotsak'orana ilaina amin’ny fanondrahana ny tanimbary, izay natao hamokatra vary io.

Vahaolana maharitra

Ankoatra io fiandrasana ny orana io dia nandroso vahaolana maharitra ihany koa ireto mponina misedra olana ireto. Noraisin’ny Minisitra nandritra izany ny sosokevitra momba ny hanamboarana fotodrafitrasa hitarihan-drano avy amin’ny farihin’i Tsimangana. Hahafahana manajary ireo tany sasany sy hanondraka manontolo ny tanimbary any an-toerana ny fanamboarana azy io. Nanamafy ny Ministra fa ho jerena avokoa ny vahaolana rehetra ahafahana manampy ireo tantsaha hahatratra ny tanjon’ny fitondrana, dia ny fampitomboana ny voka-bary araka ny vina napetraky ny Filoham-pirenena. Raha tsiahivina dia efa nanome toky ireo mpamboly vary manerana ny Nosy ny Minisitra ny fiandohan’ny volana febroary teo fa hojerena avokoa ireo tohodrano sy fotodrafitrasa mila fikojakojana sy fanamboarana rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires