« Syndrome de l’imposteur » : ahoana ny fomba handresena izany eo amin’ny asa ?
Toe-javatra mahakasika olona maro eo amin’ny tontolon’ny asa ny « syndrome de l’imposteur ». Miseho amin’ny tsy fahatokisan-tena amin’ny fahaiza-manao ara-kasa izy io amin’ny ankapobeny. Rehefa mandeha ny fotoana dia mety mitarika rarintsaina sy tebiteby izany. Ahoana ary ny fomba atao handresena ny « Syndremo de l’imposteur » ?
Inona no atao hoe « syndrome de l’imposteur » ?
Ny atao hoe « syndrome de l’imposteur » dia ny fahatsapan’ny olona iray fa tsy ampy ny fahaiza-manao ara-kasa hananany, tsy mendrika ny asa sahaniny na ny toerana misy azy ao am-piasana izy. Ny olona manao « syndrome de l’imposteur » dia mahatsiaro tena toy ny misandoka asa na hoe tsy mahasahana ny asa hiandraikaitany. Matetika dia rehefa miova asa izy io no mitranga. Izany hoe rehefa nahazo fisondrotana ara-kasa goavana, nahita asa tsara toerana sy karama be na koa rehefa avy nanangana orinasa.
Ahoana ny fisehon’ny « syndrome de l’imposteur » ?
Tsy voatery mitovy ny fomba fisehon’ny « syndrome de l’imposteur » eo amin’ny olona tsirairay. Misy ihany nefa ireo fisehony matetika fahita :
-Tsy mahatoky tena mikasika ny fahaiza-manaony. Na dia efa eo ary ireo porofo azo tsapain-tanana mampiseho ny fahaiza-manaony dia tsy mety mahatoky izany mihintsy ilay olona manao « syndrome de l’imposteur ». Manamaivana ny zava-bitany izy ary matahotra hatrany sao tsy hahatanteraka ny andrasana aminy amin’ny ho avy.
-Tsy miaiky hoe avy amin’ny tenany ny fahombiazana vitany fa heveriny fa avy amin’ny vintana na avy amin’ny anton-javatra hafa foana.
-Mahatohatra ny ho sarona. Mitebiteby foana izy hoe ho sarona ny « tsy fahaiza-manaony ». Ity tahotra, izay tsy mitombona, ity dia mety miteraka rarintsaina lehibe sy tahotra ny hahazo dera na hanaiky andraikitra vaovao.
-« Perfectionnisme » sy fangatahan’andro lava. Satria matahotra fatratra ny tsy hahomby ny olona manao « syndrome de l’imposteur » dia lasa mikatsaka zavatra lavorary be lotra mba tsy hahazo kihana. Izany dia mety hahatonga azy tia mangatak’andro lava.
-Fahatsapana ny tena ho hosoka. Mahatsiaro tena hoe misandok’asa sy mamitaka ny manodidina azy ny olona manao « syndrome de l’imposteur » noho izy mihevitra fa tsy sahaza ny asa sahaniny.
Ireo mety ho fiantraikan’ny « syndrome de l’imposteur »
Maro ireo mety ho fiantraikan’ny « syndrome de l’imposteur » eo amin’ny fiainan’ny olona voakasik’izany. Ny tebiteby sy ny rarintsaina tsy mety afaka mifandray amin’izany dia mety hahatonga « burn-out », fahaketrahana ary koa tsy fahatokisan-tena. Ny tahotra ny tsy fahombiazana dia mety hanakana ny « ambition » sy ny fahasahiana handroso amin’ny asa.
Ireo torohevitra handresena izany
Na dia milentika lalina ao anatin’ilay olona ary ny « syndrome de l’imposteur » dia azo atao tsara ny miala sy mandresy izany. Anisan’ireo fomba azo atao ny :
-Fahatongavan-tsaina sy fanekena fa tratry ny « syndrome de l’imposteur » tokoa ny tena. Mila fantara ihany koa fa maro ny olona mety hanao azy io mba hahatsiaro ho maivamaivana ;
-Firesahana ny fihetseham-po. Zaraina amin’ny olona atokisana ny tahotra sy ny tsy fahatokisan-tena. Manampy hanatsarana ny fomba fijery ny zava-misy sy mba hahazoana fanohanana izany ;
-Ovaina ho lasa toe-tsaina mihabo ireo « doutes » sy ireo eritreritra « négatives » rehetra. Ezahana tadidiana ireo fahombiazana sy ireo fahaiza-manao nahavitana azy ireo ;
-Manaiky sy mankasitraka ireo « compliments » ;
-Maka fotoana hankalazana ny fahombiazan’ny tena, eny na ireo fahombiazana kely aza ;
-Mametraka tanjona azo tanterahina ;
-Manaiky ireo tsy fahalavorariana eo amin’ny tena ary tsy manamelo-tena amin’izany.