• Cours de change
  • 5043.45 AR
  • |
  • $4474.9 AR
Copyright Image : © Dvv
Image
Asa & Fianarana

Miasa tena : ireo lafy tsara sy mety ho lafy ratsiny

27/03/2025 19:37 © Moov.Mg

Tsy mitsaha-mitombo ny olona mifototra amin’ny asa tena, na atao antom-pivelomana izany na vadin’asa. Maro dia maro ireo sehatr’asa afaka anatanterahana izany, na ho an’ireo manana diplaoma na ireo tsy manana. Fa inona tokoa ary ireo lafy tsaran’ny fanaovana asa tena ? Ary inona no mety ho lafy ratsin’izany ?

Ireo lafy tsaran’ny fanaovana asa tena

Mbola tena malalaka tokoa ireo karazana « opportunités » afaka hanaovana asa tena raha ny eto amintsika manokana. Maro ireo lafy tsaran’ny fiasana tsy miankina amin’ny orinasa na mpampiasa. Anisan’izany ny :

Fahalalahana

Ny tombony voalohany amin’ny asa tena dia ny fahalalahana ara-potoana. Izany hoe tsy misy ora tsy maintsy hajaina amin’ny fidirana miasa na ny firavana. Malalaka sy milamina tsara arak’izany ny fahafahana mandanjalanja ny fiainana arak’asa sy ny fiainana manokana.

Manana safidy amin’ny tetik’asa atao

Afaka misafidy malalaka ny tetik’asa atao rehefa miasa tena. Izany hoe afaka izay zavatra mahaliana, hananana fahaiza-manao sy tiana no atao asa fitadiavam-bola. Matetika noho izany dia ny sehatra tena mampazoto sy maharisika azy no ataon’ny olona miasa tena.

Mety ahazoana vola betsaka

Samihafa amin’ny karama voafaritra raisin’ny mpiasa tsotra ny vola raisin’ny olona miasa tena fa mety miovaova. Indraindray io vola io mety be dia be, miankina amin’ny firoborobon’ny asa atao. Manana fahafahana mampiakatra « tarifs » ihany koa rehefa miasa tena, arakaraky ny traikefa sy ny tinady.

Mampivoatra ny fahaizana sy ny traikefa

Matetika ny olona miasa tena dia miara-miasa amin’ny karazan’olona maro sy avy amin’ny sehatra samihafa. Izany dia mampivelatra ny saina sy mampitombo ny fahaiza-manao. Tena ilaina rahateo ny « polyvalence » amin’ny tontolon’ny asa tena mba tsy ahaleo tena tanteraka amin’ny asa atao.

Ireo mety ho lafy ratsin’ny asa tena

Na dia maro aza ireo lafy tsaran’ny miasa tena dia misy ihany koa etsy andaniny ireo mety ho lafy ratsin’izany :

Fidiram-bola miovaova

Araka ny voalaza teo ambony dia mety miovaova ny vola miditra amin’ny olona miasa tena. Noho izany dia mananosarotra kokoa ny mitantana ny enti-manana satria tsy voafaritra mazava hoe oviana no ho betsaka ny vola miditra ary oviana no ho kely.

Tsy ampy ny « sécurité sociale »

Isan’ny lafy ratsin’ny miasa tena ny tsy fisitrahana ireo tombontsoa ananan’ny mpiasa tsotra, toy ny « assurance maladie », « congés », « retraite »… No izany dia miomana dieny mialoha mikasika ny « sécurité sociale » mba hitsinjovana ny tampoka sy ny fahanterana.

Sarotra ny mitady mpanjifa

Zavatra iray isany tena sarotra amin’ny asa tena ny fitadiavana mpanjifa. Rehefa ao anatin’io sehatra io dia mila mikaroka sy mandresy lahatra mpanjifa vaovao foana. Etsy andaniny, mila mifandray tsara amin’ny mpanjifa efa ao mba hitazomana azy ireny. Mila manana fahaiza-manao amin’ny varotra arak’izany ny olona miasa tena ary mahafoy fotoana amin’izany.

Sarotra ny mandanjalanja ny fiainana manokana sy ny asa

Raha tsy mahay mandamina fotoana tsara dia mety lasa sahirana mandajalanja ny fiainana arak’asa sy ny fiainana manokana. Amin’ny maha mpiasa tena dia mety misy fotoana voatery miasa alina na koa miasa mandritra ny faran’ny herinandro. Raha izany no mitranga dia mety hahatsiaro tena tototry ny asa ka lasa misy rarintsaina.

Lire la suite

Articles Similaires