• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © Adn
Image
Vaovao

Mopcaan, Parish, Maman’i Tsôlôlô… : Handray anjara ao anatin’ny fandaharana « Star Story »

30/04/2025 15:25 © Moov.Mg

« Ao ambadiky ny laza, dia misy ny olombelona ». Izay no lalan-tsaina nentin’ny Poziti Vizion namorona ny fandaharana « Star Story », izay handeha tsy ho ela ao amin’ny fahitalavi-pirenena TVM. Hanarahana ny andavanandrom-piainan’ireo mpanakanto mandrafitra ny « Team Rwikordz », izay eo ambany fiahian’ny Trano mpamokatra Davalt Rwikordz, ity fandaharana ity.

Fandaharana hahitana ny Team Rwikordz

Tafiditra ao anatin’ilay sokajim-pandaharana antsoina hoe : « téléréalité » ny « Star Story » izay vokarin’ny Poziti Vizion. Hanarahana ny andavanandron’ireo mpanakanton’ny Team Rwikordz, izay hiara-honina ao amin’ny trano « villa » iray, ity fandaharana ity. Isan’ireo ho hita ao anatin’izany ireo mpanakanto efa mametraka ny lazany, toa an’i Mopcaan, Parish, Tanjona Randrianarivelo, Maman’i Tsôlôlô … Fa handray anjara amin’ity fandaharana ity ihany koa ireo mpanan-talenta mbola tsy fantara loatra, izay ahian’ny Davalt Rwikordz. Manodidina ny 30 isa izy ireo no mpandray anjara ao anatin’ny fandaharana.

Fampahafantarana mpanakanto

Ankoatra ny maha-fialam-boly azy, dia tanjon’ny fandaharana ny haneho amin’ny mpijery, fa tsy ny laza ihany no iainana, amin'ny maha-artista, fa eo koa ilay lafy maha-olombelona, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Poziti Vizion. Araka izany, ho hita ao anatin’ny fandaharana ny fiaraha-miaina andavanandron’ireo « Team Rwikordz ». Hifanampy izy ireo, hifanohana, hifampizara traikefa, fa ihany koa, hilalao, hanao fifaninanana, hizara fihetseham-po isan-karazany. Tanjona ihany koa ny hampahafantarana ireo mpanakanto vao misondrotra, mba hitomboan’izy ireo laza bebe kokoa, satria « misy amin’izy ireo no tena manan-talenta, fa tsy manana fahafahana mba hivelarana. Izany rahateo no mahatonga ny Davalt Rwikordz manohana azy ireo », hoy i David Alain Tatasoa, na i Davalt.

Hanomboka amin’ny 9 mey 2025 no ho hita ao amin’ny televiziônina malagasy ny fandaharana « Star Story », ary handeha isaky ny zoma, sabotsy ary alahady, manomboka amin’ny 6 ora sy 45 minitra hariva. Manohana ity fandaharana ity ny orinasa Yas Madagascar.

Lire la suite

Articles Similaires