• Cours de change
  • 5037.61 AR
  • |
  • $4431.96 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Fandaharanasa PADSSR : Mpianatra miisa 6 000 no misitraka fanabeazana ara-pananahana feno

06/05/2025 10:00 © Moov.Mg

Tanora miisa 6 000, mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana, no efa nisitraka fanabeazana ara-pananahana feno (ECS), nanomboka ny volana jona 2024, vokatry ny fandaharan'asa manohana ireo zo momba ny fahasalamana ara-pananahana (PADSSR). Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly 5 mey 2025 ny momba ity fandaharanasa ity.

Zo sy fahasalamana ara-pananahana

Raha tsiahivina, nisy naoty navoakan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny volana novambra 2023. Voararan’io naoty io ny firesahana sy fanentanana momba ny fomba fanabeazana aizana, amin’ny ankapobeny, ao anatin’ny faritry ny sekoly. Nanao adisisika matetika, ny amin’ny tokony hanafoanana izany naoty izany ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana, toa ireo mpikambana ao anatin’ny Coalition SDSR, eo anivon’ny « Forum Génération Egalité » (FGE). Mifanohitra amin’ny lalàna 2017-043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana rahateo izany, izay milaza fa “Ny isam-batan’olona dia manan-jo hahalala sy hahazo fampianarana eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana.”

Noho ity tetikasa PADSSR ity, izay nampahafantarina omaly teny Anntaninarenina, dia sekoly miisa 4 no hisitraka fanabeazana ara-pananahana feno. Tetikasa filamatra izy ity, izay hotanterahina any amin'ny lisea Rakotoarisoa Amoron'i Mania, lisea André Resampa Antsirabe, CEG Miarinarivo ary ny EPP Soamandrakizay. Efa nanomboka tamin’ny volana jona 2024 ity tetikasa ity ary hitohy hatramin’ny volana desambra 2026. Hisitraka ny fandaharanasa ny ankizy sy tanora miisa 6 000, miampy ireo olon-dehibe manodidina azy 3 000 isa, ahitana ireo ray aman-dreny, mpanabe ary talen-tsekoly.

Vohoka aloha loatra sy aretina

Hetsika maro no tanterahina ao anatin’ny tetikasa : fampiofanana tanora mpanabe olon-tsahala (Jeunes pairs éducateurs) miisa 40, izay hanentana mikasika ny fanabeazana ara-pananahana ; fanatanterahana atrikasa ho an'ireo tanora sy mpanabe ary tompon'andrakitra eny anivon’ny sekoly ; fanofanana ireo mpiasan'ny fahasalamana sy mpanabe tanora ; fananganana klioba sy sehatr'asa miainga avy any amin'ireo tanora ; fametrahana toerana hahafahana mizara izay tsara ho fantatra momba ny fanabeazana ara-pananahana eny anivon’ny sekoly ; fanavaozana ireo toeram-pitsaboana an-tsekoly sy fampitaovana mifanaraka amin' izany ; fizarana fitaovana fampiasa rehefa tonga fotoana eny anivon’ny toeram-pitsaboana an-tsekoly...

Tanjon’ny fandaharanasa PADSSR ny hampihenana sy hisorohana ny vohoka aloha loatra eo amin'ireo tanora, sy ny hiadiana amin’ny fihanak'ireo aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo tsy voaaro, ary koa mba hampiroboroboana ny fahaleovan-tenan'ireo tanora momba ny fahasalamana ara-pananahana.

Lire la suite

Articles Similaires