• Cours de change
  • 5037.61 AR
  • |
  • $4431.96 AR
Copyright Image : © Mtp - Minae
Image
Vaovao

Faritra Atsimo Atsinanana : Nametrahana teknolojia roa momba ny fotodrafitrasa sy ny fambolena

06/05/2025 10:22 © Moov

Samy manana ny fomba entina hampandrosoana azy ny faritra tsirairay. Raha ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana izao dia nampiasaina ny teknolojia amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa sy ny fambolena. Tonga nanatanteraka fidinana ifotony tany amin' ny kaominina ambanivohitr' i Anosivelo Distrikan' i Farafangana ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana Andriamatoa Hajarison François Sergio, niaraka tamin' ny Minisitry ny Asa Vaventy Rafidison Richard Théodore, ka ho an' ny Minisitry ny Fambolena, nijery ny fandrosoan’ny asa.

Lalana manaraka ny teknolojia mahazaka toetany

Lalandrà ho an’ny faritra tsirairay ny lalana ary mamelona ny mponina rehetra. Izany indrindra no hampiasaina ny teknolojia mba hanamafisana ny fotodrafitrasa sy hampaharitra azy. Fanamboaran-dalana mety amin' ny toetany sy ny teknolojia vaovao io notanterahina io, izay efa andalam-panatanterahana. Hampiasaina amin’izany ny « Geocel" vita avy amin'ny polyéthylène haute densité na HDPE. Ny HDPE dia akora mateza, ampiasaina amin'ny fotodrafitrasa tiana ho mafy sy hateza, ka mampihena ny fahasimbana samihafa vokatry ny fifamoivoizana diso tafahoatra ary mahazaka ny toetr'andro ratsy.
Ilaina izany mba hahafahan' ireo vahoaka mivezivezy sy hahamora ny famoahana ny vokatra sy ny fifandraisana ao anatin' ireo kaominina maromaro any amin'iny tapany avaratry ny Distrikan'i Farafangana iny.

« Station de pompage » ho an’ny fambolena

Etsy ankilany dia mitohy ihany koa ny asa fanorenana ny « station de pompage » mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao an-toerana. Entina hanondrahana lemaka manodidina ny 700 ha izy io. Fotodrafitrasa maharitra hanamafisana ny famatsian-drano sy ho fampitomboana ny vokatra ho an’ireo tantsaha izany. Natao izany mba hampiakarana ny taha eo amin' ny famokaran'ireo tantsaha hahatratrarana ny fizakantena ara-tsakafo.
Midika izany fa teknolojia vaovao miisa 2 no hapetraka any antoerana mba hanatrarana ny vinan' asan' ny Minisitera sy ny fanatanterahana ny " PGE " na ny Politika ankapoben' ny fanjakana. Marihin amoa fa ny FIDA sy ny UNOPS no mamatsy ara-bola izany ary ny " Programme DEFI " no mitantana azy.

Lire la suite

Articles Similaires