• Cours de change
  • 5028.6 AR
  • |
  • $4425.93 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Baolina Kitra : Mandalo eto Madagasikara i Andrea Pirlo, mpilalao sady mpanazatra italiana

06/05/2025 12:27 © Moov

Nandray anjara tamina fifanakalozan-kevitra mikasika ny Baolina Kitra sy ny Mozika Chan ny mpilalao sady mpanazatra malaza Andrea Pirlo, androany 5 may.

Mitsidika an'i Madagasikara ilay kalazan'ny baolina Kitra italiana, Andrea Pirlo. Efa mpilalao ny tenany, ary lasa mpanazatra avy eo. Nampalaza azy teo amin'ny sehatra iraisampirenena ny nahazoan'ny ekipany ny Coupe du Monde tamin'ny taona 2006.

Fifanakalozana traikefa

Mivelatra amina tontolo maro i Andrea Pirlo na dia ny baolina Kitra aza no nivelarany teo amin'ny sehatry ny asa. Amin'izao fandalovany eto Madagasikara izao, nandray anjara tamin'ny "Festival Culturel pour la paix mondiale" teny amin'ny Monastère Xizu Andranovelona ny tenany. Samy mila fifantohana sy fiaraha-miasa ary fitiavana, na ny baolina kitra na ny Mozika Chan na ny fivavahana Bouddhiste. Nambaran'i Andrea Pirlo tamin'izany fa ny fitoniana, ny fahaizana miara-milalao sy ny finiavana no tena nampahomby azy. Tsy adino ihany koa ny fandraisana lesona sy traikefa amin'ireo zava-misy rehetra eny an-kianja. "Samy mety ho lasa kalaza eo amin'ny sehatra iraisampirenena ny mpilalao baolina kitra rehetra, na avy aiza na avy aiza, raha manana finiavana handroso", hoy hatrany izy.

Fahafantarana kolontsaina Malagasy sy Sinoa

Mianatra kolontsaina Malagasy sy Sinoa i Andrea Pirlo amin'izao fitsidihany an'i Madagasikara izao. Marobe ireo fandaharam-potoana, hatramin'ny omaly, izay hanehoana kolontsaina avy any Chine. Misy Malagasy mandray anjara ihany koa amin'ny hetsika tanterahina. "Toerana tena mahafinaritra sy mahaliana i Madagasikara", araka ny nambaran'i Andrea Pirlo. Na dia fohy aza ny andro ijanonany eto an-toerana, marobe ireo fahalalana azony. Nanamarika manokana azy ny fahitana toerana maitso mavana voajanahary eto Madagasikara. Madio tanteraka ihany koa ny rivotra teny Andranovelona.
Ny 5 hatramin'ny 7 may moa ny Hetsika Koltoraly ho an'ny fiadanana manerantany, eny amin'ny Monastère de Xizu Andranovelona, toerana misy ny fiangonana Bouddhiste tokana eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires